Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 06 June 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 4:35-41; Mar. 5:21-34; Rôm. 5:3-5; Jôba 19:23-27; Joba 23:8-12; Lio. 24:13-27; Rôm. 8:18,28. 

Tsianjery "Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hita amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fillavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika." - Rôm. 5:3-5 


Indray takariva, raha nidina teny amin'ny faravodilanitra ny masoandro, dia nisy tovovavy iray nandeha nody; nisy tafio-drivotra mafy taminizay. Nanafaingana ny diany day tovovavy, satria fantany fa mbola lavitra ny lalana. Nisy piti-drano kely iray nilatsaka teo amin'ny takolany, avy eo nisy iray hafa, ary tsy ela akory dia kotsan'ny orana izy.

Nanomboka nihazakazaka izy mandra-pahatonga teo am-baravaran'ny trano fonenany ka nanokatra izany. Nihazakazaka nitsena azy ny rainy izay nahatazana azy avy teo am-baravarankely. Rehefa nanafy azy bodofotsy ny rainy dia nanontany azy hoe: "Hitako ianao nandeha tamin'ny orana. Nahoana ianao no nijanona sady niandrandra sy nitsiky isaky ny nisy tselatra be teny amin'ny lanitra?"

"Hay ve e! Nijanona mba hiandrandra aho," hoy ilay tovovavy, "satria naka sary ahy Andriamanitra!

Inona no fihetsika ataontsika rehefa misy tafio-drivotra eo amin'ny fiainana, na rehefa misy toe-java-tsarotra eo amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra? Mitanondrika ve isika rehefa milatsaka eo an-damosintsika ny orana sa miandrandra kosa, satria fantatsika ary itokiantsika fa eo Andriamanitra raha mitodika Aminy isika?

Mandritra ity herinandro ity, dia hodinihintsika ny fihetsika ataontsika matetika rehefa sarotra ny fiainana. Hojerentsika ny fomba ahafahana mampiasa ireo sakantsakana eo amin'ny fiainana mba hanamafisana, fa tsy handemena, ny fifandraisana tena manan-danja indrindra ho antsika. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal