Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.

Daty
Alarobia 10 June 2026

Tsy mora ny herinandro nolalovan'ireo mpianatr'i Jesôsy roa. Namerimberina tao an-tsainy ny sasany tamin'ireo zava-nitranga sy ny resaka reny sy nataony izy ireo: ny fidirana tamim-pandresena tao Jerosalema sy ny fanadiovana ny tempoly, ny Paska tao amin'ny efitrano ambony, ny vavaka nataon'i Jesosy tao Getsemane, ny famadihana mahatsiravina nataon'i Jodasy, ny fitsarana, ny fanesoana sy ny kapoka, ny tenan'i Jesosy naratra nihantona teo amin'ny hazo fijaliana ary ny teny farany nolazainy talohan'ny nialany aina, rehefa nanjary maizina ny Ianitra tamin'ny folakandro, ny feon'ny lamba nitriatra tao amin'ny tempi*, ny fasana nisokatra handevenana Hay olo-marina, ny fampidinana moramora ny fatin'i Jesosy avy teo amin'ny hazo fijaliana ary ny nametrahana Azy tao am-pasana mialoha ny Sabata. Teo koa ny fahaverezan-kevitra, ny fahakiviana, ary ireo fanontaniana maro nibosesika tao an-tsain'ireo mpianatra. Ahoana ary no nahadiso hevitra azy ireo toy izany? Diso fanantenana sy kivy ary very hevitra tanteraka ireo mpanara-dia an'i Jesosy. (zany no toe-javatra sarotra sy tsy nampoizina indrindra teo amin'ny fiainany. Tsy hitan'izy ireo fa fotoana kely tsy maharitra akory izany ao anatin'ny tantara lehibe indrindra hatrizay ka hatrizao. Raha nandeha hankany Emaosy ny roa tamin'izy ireo, dia niseho taminy i Jesosy ary niara-nandeha taminy. Vakio ny resaka nifanaovan'izy ireo ao amin'ny Lio. 24:13-27 ary eritrereto ireo fomba fijery roa samy hafa teo: ny an'ireo mpianatra roa, ary ny an'i Jesosy. Raha vao nahiratra ny mason'ireo mpianatra roa lahy dia nihazakazaka nankany Jerosalema izy ireo mba hitantara ny zava-nitranga teny an-dalana (Lio. 24:33-35). Rehefa tonga i Jesôsy ka nitsangana teo afovoan'izy rehetra, dia raiki-tahotra izy ireo. Mariho ny fanontaniana napetrak'i Jesosy tamin'izy ireo: "Nahoana no taitra hianareo? Ary nahoana no miahanahana ny fonareo?" - Lio. 24:38. !zany koa no hafatr'i Jesosy ho antsika ankehitriny. Matetika loatra isika no manadino fa miara-mandeha amintsika eny amin'ireo lohasaha misy antsika i Jesosy. Matetika loatra isika no tsy mahafantatra Azy ary koa manadino fa zava-dehibe kokoa no ao ambadiky ny tantara miseho. Imbetsaka loatra isika no tojo ()liana ka mamela ny fisalasalana hitsiry ao am-pontsika; hadinontsika amin'izany fa mihazona ny fiainantsika amin'ny fomba azo antoka i Jesosy. Ary matetika isika no mihevitra fa mahalala bebe kokoa ny amin'izay tena zava-misy eo amin'ny fiainantsika mihoatra noho i Jesosy (Lio. 24:18). Manome torohevitra mahafinaritra ny Baiboly mikasika ny fomba azontsika Kristianina atao manoloana ireo fihaikana sy fahavoazana eo amin'ny fiainana. Manokana fotoana handinihana ireto andininy fohy ireto: Rom. 8:28; Fil. 4:4-13; Jak. 1:2-4, 12; ary ny 2 icor. 12:9,10. Mandritra ny fianaranao, soraty ny hafatra telo manan-danja izay azonao zaraina amin'olona iray miatrika fahavoazana amin'izao fotoana izao, ka hazony ao an-tsaina ny 2 Kôr. 1:4. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal