Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.

Daty
Talata 17 June 2025

MIANKOHOKA AMIN'NY SARY INDRAY

Efa ela no nahitan'ireo mpandinika ny Baiboly fa misy ifandraisany ny Dan. 3 sy izay ampianarin'ny Apôkalipsy momba ireo toe-javatra hitranga any am-parany. Ary marina izany satria ny fanamelohana ho faty ao amin'ny Dan. 3, ho an'ireo izay tsy mety miankohoka amin'ny sariolona (Dan. 3:15), dia maneho taratra ny didy manameloka ho faty ao amin'ny Apokalipsy, ho an'izay tsy mety miankohoka amin'ny sary anankiray koa. "Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibidia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibidia." - Apôk. 13:15.

Vakio ny Apôk . 13:11-17; Apôk. 14:9,11,12; Apôk. 16:2; Apôk. 19:20; sy ny Apôk. 20:4. Inona ny fifanoherana hita eto, izay mampiavaka ny didin'Andriamanitra amin'ny didin'olombelona?

Antsoina hiankohoka amin "Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano" ny vahoakan'Andriamanitra, izany hoe, ny Mpamorona, fa tsy ny bibidia sy ny sariny. Ireo zatovolahy hebreo telo izay norahonana ho faty, dia nandà tsy hanompo na inona na inona, na iza na iza, ankoatra an'Andriamanitra Mpamorona ihany. Araka izany, na samy hafa aza ny toe-javatra, dia mitovy ihany ny foto-kevitra hita teo amin'ny tany lemaka Dora izay nisy fandidiana hanompo sary fa tsy ny Mpahary, sy izay hitranga maneran-tany amin'ny fanerena ny olona hanompo sary fa tsy ny Mpahary.

Vakio ny Rom. 1:18-25. (Mariho ny fifandraisan'ny Rom. 1:18 sy ny Apok. 14:9,10 momba ny "fahatezeran'Andriamanitra.") Amin'ny fomba ahoana no ahitana fa ny fiankohofana amin'ny sary dia mampiseho fotsiny hoe iza no tian'ny olombelona hankatoavina amin'ny farany?

Tsy voatery hidika mandrakariva ho fiondrehana sy fandoroana ditin-kazo manitra ny fiankohofana, na dia mety hatao aza izany. Izay omentsika ny fankatoavantsika faratampony no iankohofantsika. Rehefa sainintsika ny momba an'Andriamanitra, Mpahary antsika, sy izay nataony ho antsika tao amin'i Jesôsy  Mpanavotra antsika, dia mazava loatra fa Izy irery ihany no mendrika sy tokony hiankohofana. Fanompoan-tsampy ny zavatra hafa rehetra. Mety ho izany no anton'ilay teny henjana nataon'i Jesôsy hoe: "Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka" - Mat. 12:30. Izay hitranga any am-parany dia tsy inona fa fanehoana amin'ny fomba mazava io fahamarinana io.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal