Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.

Daty
Alakamisy 19 June 2025

NY MARIKY NY BIBIDIA

Rehefa nandeha ny taona, ka tsy mbola niseho ireo tranga farany toy ny fametrahana ny mariky ny bibidia, dia naneho fisalasalana ny olona sasany. Eny, naneho tsy finoana aza izy ireo mikasika ny fanazavantsika ireo toe-javatra hitranga amin'ny andro farany, anisan'izany ny mahatonga ny Sabata sy ny Alahady ho ivon'ilay fifanandrinana farany.

Mazava ny voalaza ao amin'ny Apokalipsy: na isika mivavaka amin'ny Mpahary, na amin'ny bibidia sy ny sariny. Ary satria ny Sabata andro fahafito no famantarana fototra ny maha-Mpahary an'Andriamanitra - izay efa hatrany Edena mihitsy (jereo ny Gen. 2:1-3)-dia tsy tokony hahagaga raha ny Sabata no ho lohahevitra ifanolanana ao anatin'ny resaka fiankohofana amin'ny Mpahary. Ary tsy kisendrasendra koa raha ny fahefan'ny bibidia no fahefana nanova ny lalana momba ny Sabatan'ny Baiboly ho lalàn'ny Alahady, izay tsy voamarina akory ao amin'ny Baiboly. Ao anatin'ny tontolon-kevitra eto dia mitombina tsara ny hoe: tafiditra ao anatin'ny resaka fiankohofana ny hevitra momba ny Sabata sy ny Alahady -averina indray, na izany fiankohofana amin'ny Mpahary (jereo ny Apôk. 14:6,7) na amin'ny bibidia. Ankoatra izany dia misy fanambarana mialoha mikasika ny fifanoheran'ny Sabata andro fahafito sy ny lalàn'olombelona koa ao amin'ny Testamenta Vaovao.

Vakio ny Mat. 12:9-14 sy ny Jao. 5:1-16. Inona no nahatonga ireo mpitondra fivavahana naniry hahafaty an'i Jesôsy ?

Ao amin'ny Mat. 12, nanao ahoana ny fihetsik'ireo mpitondra fivavahana rehefa nanasitrana ilay lehilahy maty tanana tamin'ny andro Sabata i Jesosy? "Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy." - Mat. 12:14. Mamono olona mihitsy ve noho ny amin'ny Sabata? Ao amin'ny Jao. 5:1-16, rehefa nanasitrana olona hafa indray i Jesosy tamin'ny andro fahafito, dia "nanenjika an'i Jesôsy " ny Jiosy, "satria nanao izany zavatra izany tamin'ny Sabata Izy" and. 16.

Mamono olona mihitsy ve noho ny amin'ny fampianaran'olombelona mifanohitra amin'ny Sabata andro fahafito? (tsy misy mandrara ny fanasitranana amin'ny andro Sabata ao amin'ny Baiboly, toy ny tsy ahitana filazana ao momba ny nanoloana ny Sabata ho Alahady.) Na dia tsy mitovy tanteraka amin'izay nahazo an'i Jesosy teto aza no hitranga any am-parany, dia misy itoviany betsaka ihany: miady amin'ny lalan'Andriamanitra ny lalan'olombelona, ary ny Sabatan'ny Baiboly avokoa no toherina amin'izany.

Ho faty noho ny amin'ny didin'Andriamanitra anankiray ve? Nahoana no mora foana ny mahita hevitra mba tsy ho tonga amin'izany fahafatesana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal