Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: - ILAY FOTOANA ISEHOAN'NY VONINAHITRA: NY HAZO FIJALIANA SY NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY - "Indro ny Lehilahy!"

Daty
Alatsinainy 16 December 2024

Vakio ny Jao. 18:38-19:5. Tamin'ny fomba ahoana no niezahan'i Pilato nandresy lahatra ny vahoaka hangataka ny famotsorana an'i Jesôsy ?

Tsy niandry valin-teny avy amin'i Jesôsy momba ny fahamarinana i Pilato fa nivoaka tany ivelany izy, niezaka nandresy lahatra ny vahoaka. Mbola nifandahatra tamin'izy ireo indray anefa izy fa tsy avy hatrany dia nandefa an'i Jesôsy , koa izay no nahavoa azy. Hitan'ireo mpitondra fivavahana fa azony nentina tamin'ny sangany i Pilato, tamin'ny alalan'ny vahoaka.

Nisy fanaon'ny Jiosy noresahin'i Pilato, dia ny famotsorana gadra anankiray rehefa Paska. Koa nanontany ny vahoaka izy raha tian'izy ireo ny hamotsorana ny "mpanjakan'ny jiosy. Somary mahatsikaiky ihany kanefa mampalahelo sady mahagaga fa naleon'ny vahoaka i Barabasy, izay jiolahy, no havotsotra, toy izay i Jesôsy tsy manan-tsiny.

Dia nanomboka ny fanesoana sy ny fanarabiana an'i Jesôsy. Nandrandrana satroka tsilo ho Azy ny miaramila romanina ary nampitafy Azy lamba volomparasy, sady nanatona sy naneso Azy hoe: "Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!". Tahaka izany no fiarahaban'ny miaramila ny amperora, saingy teto dia natao fanarabiana izany.

Toa nanantena hanetsika ny fangorahan'ny vahoaka i Pilato, nitady fomba hanafahana an'i Jesôsy. Navoakany ho hitan'ny vahoaka i Jesôsy , nanao satro-tsilo sy niakanjo volomparasy. Dia teo i Jesôsy, nitafy akanjo maha-mpanjaka izay naniratsirana Azy, ary i Pilato niteny tamin'ny vahoaka hoe: "Indro ny Lehilahy! Jao. 19:5; tsy nisy fanampim-panazavana hafa avy amin'i Jaona ny amin'izany tranga rehetra izany. Mampahatsiahy ilay tenin'i Jaona mpanao batisa ao amin'ny Jao. 1:29 io, hoe: "Indro ny Zanak'ondrin' Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" - Ny govemora mihitsy izao no nampiseho ny Mesia teo anoloan'ny Isiraely tao anatin'ny fitafian'ny maha-mpanjaka; fanesoana re izany, kanefa tsy fantany fa Izy tokoa no Mpanjaka!

Voalaza ao amin'ny Jao. 19:6-16 anefa fa nangataka ny hanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana ny vahoaka, satria nilaza ny Tenany ho Zanak'Andriamanitra Izy. Naharaiki- ahotra an'i Pilato izany, izay vao mainka nitady izay fomba hanafahana an'i Jesôsy. Namaritra ny anjaran'i Jesôsy anefa ireo mpitondra fivavahana tamin'ny nilazany fa fanoherana an'i Kaisara ny fanafahana an'i Jesôsy. Fantatr'izy ireo fa ny fahatokian'i Pilato tamin'i Kaisara dia hanakana azy tsy hanafaka olona izay mitonona ho manan-toerana tahaka ny an'i Kaisara. Nilaza ireo mpitondra fivavahana ireo fa tsy manana mpanjaka afa-tsy i Kaisara. Hita amin'izany fa lehibe lavitra noho ny faniriany soa ho an'ny fireneny ny fankahalany an'i Jesôsy. Naleony mihitsy nanao sorona ny fahaleovan-tenan'ny fireneny, izay efa nokatsahiny hatry ny ela, toy izay hamela an'ity Jesôsy ity ho afaka.

Tena mampatahotra tokoa ny hoe mpanapaka mpanompo sampy iray по naniry hanafaka an'i Jesôsy, tamin’ireo mpitondra fivavahana teo amin'ny fireneny kosa, izay tokony ho nahafantatra Azy, ireo indray no nitaky ny hanomboana Azy teo amin'ny hazo fijaliana! Inona ny lesona azontsika raisina ho an'ny tenantsika avy amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (58)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal