Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 19 September 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio amim-pifantohana tsara "Ny fanompoan-tsampy tao Sinay", tt. 313-317 ao amin'ny PM (ed. 2014).

Indray andro, raha nanjombonjombona ny andro, dia nisy raim-pianakaviana nitsidika katedraly iray niaraka tamin'ny zanany lahy. Raha nijery ny takela-pitaratra misy sary teny amin'ny varavarankely izy ireo, izay nahitana sary kanto maneho toe-javatra samy hafa ao amin'ny Baiboly, dia nanomboka nitaratra teo amin'ny sarin'ireo olona teo amin'ny fitaratra ny tara-masoandro ka nampamirapiratra ireo olona ireo tamin'ny fahazavana manaitra. Nanontany an-drainy ilay zazalahy kely hoe: "Iza ireo olona ireo ry Dada?" Tsy dia nahalala zavatra betsaka momba ny fivavahana kristianina sy i Kristy na ireo mpianany ny rain'ilay zazalahy kely, nefa namaly azy haingana hoe: "Kristianina ireo, anaka." Nifantsika tao an-tsain'ilay zazalahy io sary namirapiratra io. Indray andro, dia nametraka fanontaniana toy izao ny mpampianatra ilay zazalahy kely tao am-pianarana: "Rankizy, fantatrareo ve ny atao hoe Kristianina?" Tsaroan'ilay zazalahy kely ilay sary namirapiratra tao amin'ilay katedraly ka namaly izy hoe: "Izaho mahafantatra; ny Kristianina dia olona mamirapiratra." Mifanindran-dalana amin'izany izay nolazain'i Jesôsy tamin'ireo mpanara-dia Azy: "Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra." - Mat. 5:16. Ny olona mamirapiratra ihany no afaka hitondra fiovana.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. "Raha manetry tena eo anatrehan'Andriamanitra isika, ary maneho halemem-panahy sy fanajana ary fahamoram-po sy fangorahana, dia hisy fo zato ho voaova eo amin'izay tsy misy afa-tsy iray ankehitriny." - TFC, b. 9, t. 189. Inona no hafatra mafonja ho antsika rehetra eto momba ny fiantraikan'ny toetrantsika sy ny asantsika ary ny fihetsitsika eo amin'ny fijoroantsika ho vavolombelona?

2. Antsoina hoe Jao. 3:16 an'ny Testamenta Taloha ny Eks. 34:6,7. Nahoana?

3. Raha misy manontany anao momba ny Andriamanitrao, ahoana no hanazavanao ny hakanton'ny toetran'Andriamanitra araka izay voalazan'ny fanambaran'Andriamanitra momba ny Tenany ao amin'ny Eks. 34:6,7?

4. Asao ny ao amin'ny kilasinao hifanakalo hevitra momba ny fiantraikan'ny toetra sy ny asan'ny olona mitonona ho Kristianina teo amin'ny fiainan'izy ireo. Izany hoe, inona ny hery miasa mangina avy amin'ireo olona tsara fanahy sy be fitiavana ary manetry tena sy mamela heloka teo amin'ny fanandramanao? Etsy ankilan'izany, nitondra inona teo amin'ny fiarahanao mandeha amin'Andriamanitra ny "Kristianina" ratsy fanahy sy tsy mamela heloka ary mpiavonavona?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal