Hitantsika omaly fa noraisin'i Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy ho toy ny ady ara-panahy ny fanompoany, ka nampiasa ireo fiadian'Andriamanitra izy ireo. Ho hitantsika anio fa miasa araka ny fepetran'olombelona ireo mpampianatra sandoka. Tsy araka ny tokony ho izy ny fireharehan'izy ireo, fa i Paoly kosa nirehareha noho ny amin'ny Tompo irery ihany. Hoy izy: "Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany."- 2 Kor. 10:17.
Vakio ny 2 Kor. 10:13-17. Ahoana no mahatonga ny fifaninana hampidi-doza ho an'ny fitoriana ny filazantsara?
Nahaliana ireo mpanazava ny azava ny Soratra Masina nandritra ny taonjato maro ny fampiasan'i Paoly ny fiteny mitory fireharehana. Nefa ny fireharehana dia fanao mahazatra fahiny ary nisy fitsipika ara-piarahamonina nifehy izany mba tsy hanafintohinana ny mpihaino. Fantatr'i Paoly tsara izany fitsipika izany, ary narahiny. Ankoatra izany, dia nasehony mazava fa ny fireharehany dia miavaka amin'izay nataon'ireo mpampianatra sandoka. Nirehareha ny amin'i Jehovah izy (2 Kor. 10:17). Teny avy ao amin'ny TT izany: "Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany."- Jer. 9:23. Namerina izany andalan-teny ao amin'ny bokin'i Jeremia izany i Paoly mba hanehoany fa i Kristy no anton'ny fireharehany - ny fitiavan'i Kristy sy ny fahamarinany.
Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia mifantoka amin'izay notanterahin' Andriamanitra ao amin'i Kristy ny fireharehan'i Paoly. Araka izany, fireharehana ara-Baiboly izany ka tsy mahatafintohina. Etsy ankilany kosa, ireo mpanohitra azy dia mifaninana aminy ka mifampitaha amin'ireo namany. Fahadalana tokoa izany! (2 Kor. 10:12).
Atsidik'i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 10:14-16 fa ny fitoriana ny filazantsara no tena ifantohan'ny fanompoany, na tany Korinto izany na tany amin'ny toeran-kafa. Ny fitiavany an'i Jesosy no nanosika azy hiresaka mandrakariva momba ny vaovao mahafalin'ny famonjena, izay ao amin'ny fahafatesan'i Kristy sy ny Fitsanganany tamin'ny maty.
Tsy tahaka ireo mpampianatra sandoka tany Korinto izay nidera tena i Paoly, fa Andriamanitra no midera sy mankasitraka azy (2 Kor. 10:12, 18). Izy dia "voantso ho Apostolin'i Jesosy Kristy noho ny sitrapon Andriamanitra"- 1 Kor. 1:1. Nahatoky tamin'ny fiantsoana azy izy, mandrapaha-tapitry ny fofon'ainy (2 Tim. 4:7).
Avereno vaklana ny 2 Kor. 10:12-18. Ahoana no hisorohan'ny mpitondra fiangonana na koa ny mambra ny toe-tsaina tla mifaninana? Nahoana ny olona no mora variana amin-java-tsy misy heviny akory?