Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: NY FITIAVANA SY NY RARINY: IREO DIDY ROA LEHIBE INDRINDRA - Ireo didy roa lehibe.

Daty
Alahady 16 March 2025

Mba hahafahantsika misaintsaina izay azontsika atao, isika manokana sy miaraka amin'ny hafa, ho fampandrosoana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny rariny eto an-tany, dia mety indrindra ny mifantoka amin'ny didy nomen'Andriamanitra antsika.

Vakio ny Mat. 22:34-40. Ahoana no namalian'i Jesôsy ny fanontanian'ilay mpahay lalana?

I Jesôsy mihitsy no nilaza fa ny hoe "Tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" no "didy lehibe sady voalohany." Ary nampiany hoe: "Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao." Tsy mandeha ila ireo didy ireo. Nanome torolalana fanampin'izany i Jesôsy hoe: "Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalåna rehetra sy ny mpaminany." - Mat. 22:40. Notsoahina avy tamin'ny Testamenta Taloha mihitsy ireo didy ireo.

Vakio ny Mat. 19:16-23. Ahoana no ifandraisan'ny valintenin'i Jesôsy tamin'ilay tovolahy mpanankarena sy ny valinteniny tamin'ilay mpahay lalana ao amin'ny Mat. 22?

Inona no nitranga teto? Nahoana i Jesôsy no namaly io tovolahy io tahaka izay nataony? Inona no tokony hampitain'io fifampiresahana io amintsika rehetra, na inona na inona toerana misy antsika eo amin'ny fiainana?

"Ny fepetra nataon'i Kristy no hany nilaina mba hametrahana ilay mpanapaka eo amin'izay ahazoany manatanteraka toetra amam-panahy kristiana. Tenim-pahendrena ny teniny, na dia toa henjana sy tafahoatra aza. Ny fanekena sy ny fankatoavana izany no hany fanantenam-pamonjena ho an'ilay mpanapaka. Ny toerana ambony nisy azy sy ny fananany dia samy nanao asa mangina sy miafina mitarika ho eo amin'ny ratsy teo amin'ny toetra amam-panahiny. Raha ankafiziny izany, dia haka ny toeran'Andriamanitra ao amin'ny fitiavany. Ny fandavana ny kely na ny betsaka izay avy amin'Andriamanitra, dia fihazonana izay mety hampihena ny heriny sy ny fahombiazany eo amin'ny fitondran-tena; raha ankafizina ny zavatra eto amin'izao tontolo izao, na dia tsy azo antoka sy tsy mendrika aza izany, dia haharevo tanteraka." - IFM, t. 556, ed. 1983.

Na dia tsy asaina mivarotra ny fananantsika rehetra aza Isika, tahaka Ilay mpanapaka tanora sy nanan-karena, inona ny zavatra fikirinao manokana Izay mety hitondra anao ho amin'ny famolzana ny mandrakizay raha toa tsy afoinao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal