Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: NY FITIAVANA SY NY RARINY: IREO DIDY ROA LEHIBE INDRINDRA - Ireo didy roa lehibe.

Daty
Alahady 16 March 2025

Mba hahafahantsika misaintsaina izay azontsika atao, isika manokana sy miaraka amin'ny hafa, ho fampandrosoana ny fitiavan'Andriamanitra sy ny rariny eto an-tany, dia mety indrindra ny mifantoka amin'ny didy nomen'Andriamanitra antsika.

Vakio ny Mat. 22:34-40. Ahoana no namalian'i Jesôsy ny fanontanian'ilay mpahay lalana?

I Jesôsy mihitsy no nilaza fa ny hoe "Tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" no "didy lehibe sady voalohany." Ary nampiany hoe: "Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao." Tsy mandeha ila ireo didy ireo. Nanome torolalana fanampin'izany i Jesôsy hoe: "Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalåna rehetra sy ny mpaminany." - Mat. 22:40. Notsoahina avy tamin'ny Testamenta Taloha mihitsy ireo didy ireo.

Vakio ny Mat. 19:16-23. Ahoana no ifandraisan'ny valintenin'i Jesôsy tamin'ilay tovolahy mpanankarena sy ny valinteniny tamin'ilay mpahay lalana ao amin'ny Mat. 22?

Inona no nitranga teto? Nahoana i Jesôsy no namaly io tovolahy io tahaka izay nataony? Inona no tokony hampitain'io fifampiresahana io amintsika rehetra, na inona na inona toerana misy antsika eo amin'ny fiainana?

"Ny fepetra nataon'i Kristy no hany nilaina mba hametrahana ilay mpanapaka eo amin'izay ahazoany manatanteraka toetra amam-panahy kristiana. Tenim-pahendrena ny teniny, na dia toa henjana sy tafahoatra aza. Ny fanekena sy ny fankatoavana izany no hany fanantenam-pamonjena ho an'ilay mpanapaka. Ny toerana ambony nisy azy sy ny fananany dia samy nanao asa mangina sy miafina mitarika ho eo amin'ny ratsy teo amin'ny toetra amam-panahiny. Raha ankafiziny izany, dia haka ny toeran'Andriamanitra ao amin'ny fitiavany. Ny fandavana ny kely na ny betsaka izay avy amin'Andriamanitra, dia fihazonana izay mety hampihena ny heriny sy ny fahombiazany eo amin'ny fitondran-tena; raha ankafizina ny zavatra eto amin'izao tontolo izao, na dia tsy azo antoka sy tsy mendrika aza izany, dia haharevo tanteraka." - IFM, t. 556, ed. 1983.

Na dia tsy asaina mivarotra ny fananantsika rehetra aza Isika, tahaka Ilay mpanapaka tanora sy nanan-karena, inona ny zavatra fikirinao manokana Izay mety hitondra anao ho amin'ny famolzana ny mandrakizay raha toa tsy afoinao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal