Tsy manambara ny fitiavan'Andriamanitra antsika fotsiny ny fahasoavan'i Jesôsy , fa mahatonga ny firaisana amin'ny Fanahy koa ho vokatr'izany fitiavana izany. Ao amin'Andriamanitra koa anefa no loharanon'ny firaisana. Raha tsy misy fitiavana mantsy, dia tsy misy firaisana. Araka ny nosoratan'i Paoly hoe: «Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra» - Fil. 2:1,2.
Misy ireo milaza fa hery na fahefana mitaona fotsiny ny Fanahy Masina, nefa tsy marina izany. Rehefa dinihina, nahoana tokoa moa i Paoly no hanonona Persona roa ny Ray sy ny Zanaka - miaraka amin'ny "hery" fotsiny ao anatin'ny fehezanteny misy fitanisana "zavatra" telo? Tsy mitombina izany. Tahaka ny anehoana ny Ray sy ny Zanaka ao anatin'ny fifandraisana amin'ny olombelona (2 Kor. 1:3, 2 Kor. 11:31), ny fifandraisan'ny Fanahy amin'ny olombeona dia mitarika antsika hanatsoaka hevitra fa Persona koa Izy (Rom. 8:15, 16; jereo koa ny Jao. 14:16,17,26; Jao. 15:26).
Azo takarina amin'ny fomba roa ny hoe «firaisana amin'ny Fanahy» (Fil. 2:1). Mety hidika fiombonana eo amintsika samy isika noho ny asan'ny Fanahy izany, na fiombonantsika amin'ny Fanahy Masina mihitsy. Mpandinika maro no manamafy fa tsy mifanipaka ireo hevitra ireo. Ny firahalahiana rahateo dia vokatry ny fiombonana amin'ny Fanahy Masina.
Vakio ny 1 Kor. 2:10,11; 1 Kor. 3:16; 1 Kor. 12:11; ary ny 2 Kor. 3:6,17. Inona no namplanarin'l Paoly ireo Korintianina momba ny Fanahy?
Maro no lazain'i Paoly momba ny asan'ny Fanahy. Ao amin'ny 1 sy 2 Kor., dia mihoatra ny inefapolo no iresahana momba ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no mampandroso ny fiangonana (1 Kor. 14:12), manome hery ny olona ho amin'ny iraka (1 Kor. 2:4,5), manambara amintsika ny zava-dalina momba an'Andriamanitra (1 Kor. 2:10,11) ary mampianatra izany antsika (1 Kor. 2:13), mitoetra ao anatintsika (1 Kor. 3:16, 1 Kor. 6:19), miara-miasa amin'i Kristy amin'ny fanamarinana antsika (1 Kor. 6:11), mizara fanomezam-pahasoavana ho an'ny fiangonana (1 Kor. 12-14), manisy tombo-kase antsika ho amin'ny famonjena (2 Kor. 1:22), manoratra ny lalana ao am-pon'ny olombelona (2 Kor. 3:3), ary manome fiainam-baovao ao amin'i Kristy (2 Kor. 3:6) sy fahafahana amin'ny ota (2 Kor. 3:17). Azo antoka fa tsy ho velona isika raha tsy misy ny Fanahy Masina.
Nahoana no zava-dehlbe koa ny fahafantarana ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina mba hahatakarantsika amin'ny fahafenoany ny fitiavan'Andriamanitra antsika?