TEO IANAREO!
"Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tarly Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpířehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan Andriamanitra izy ireo." - Jos. 24:1.
Tao Sekema no nanorenan'i Abrahama alitara ho an'i Jehôvah raha vao tonga tao amin'ny tany izy, ary tao no nanomezan' Andriamanitra azy voalohany ny teny fikasana ny momba io tany io (Gen. 12:6,7). Ankehitriny, nony tanteraka ireo teny fikasana nomena an'i Abrahama fahiny, dia manavao ny fanekeny amin'Andriamanitra ny zanak'Isiraely, eo amin'ilay toerana izay nanomezana ny teny fikasana voalohany. Ny antso nataon'i Josoa dia mampahatsiahy ireo teny nataon'i Jakoba: "Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo." Jos. 24:23; ampitahao amin'ny Gen. 35:2-4. Na ny toerana izay isehoan'ilay toe-javatra aza dia efa manao antso ny amin'ny hanehoana fankatoavana tsy mizarazara amin'Andriamanitra sy ny hahafoizana ireo "andriamanitra" hafa rehetra.
Vakio ny Jos. 24:2-13. Inona ny foto-kevi-dehiben'ny hafatra ampitain'Andriamanitra amin'ny zanak'Isiraely?
Andriamanitra no lohahevitra fototry ny lasa izay tsiahivina eto: "naka ... Aho", "naniraka... Aho", "namely", "nataoko", "nitondra anareo nivoaka Aho", "namonjy anareo tamin'ny tànany Aho", sns. Tsy ny Isiraely no mpandray anjara fototra ao anatin'io tantara io fa tantaran'izy ireo kosa no tantaraina ao. Andriamanitra no namorona azy ireo. Raha tsy niditra an-tsehatra teo amin'ny fiainan'i Abrahama Izy. dia ho nanompo ireo sampiny ihany izy ireo. Ny fisian'ny Isiraely amin'ny maha-firenena azy dia tsy noho ny fahamendrehan'ireo razany fa asa manontolon'ny fahasoavan Andriamanitra. Tsy zavatra tokony hampirehareha azy ny fitoeran'ny Isiraelita tao amin'ny tany fa antony tokony hanompoan'izy ireo an'Andriamanitra.
Ahitana fiovan'ny mpisolo tena indimy ao amin'ny teny nataon'i Jehovah, avy amin'ny hoe "hianareo" mankamin'ny "izy ireo" (ny razan'izy ireo). Noraisina ho toy ny taranaka iray ihany ity taranaka tao Sekema ity sy ny razan'izy ireo. Nirin'i Josoa ny haneho amin'ny İsiraely ny zavatra izay efa voalazan'i Mosesy tao amin'ny Deo. 5:3; nambarany fa tsy ny razan'izy ireo ihany no nanaovan'i Jehôvah fanekena fa izy rehetra izay manatrika amin'io fotoana itenenany io. Ny ankamaroan ireo izay nanatrika teo dia tsy nandalo tamin'ny fanandraman'ny Eksodosy. Tsy izy "rehetra" no tany an-tendrombohitra Horeba kanefa nataon'i Josoa toy ny hoe teo izy rehetra. Izao izany raha fintinina: tokony horaisin'ny taranaka vaovao mifandimby rehetra ireo lesona nomena tamin'ny lasa. Ilay Andriamanitra izay niasa ho an'ireo razany fahiny dia vonona ny hiasa ho an'ilay taranaka ankehitriny.
Inona avy ireo fomba hahatahantsika, amin'ny maha-fiangonana antsika, manamaty ny fahatsapana ny andraikitsika; Izany hoe, mahatsapa fa miantraika amin'ny tsirairay avy ao anatin'ny fiangonana ny zavatra ataontsika?