TSARA FIAFARA
Vakio Ireo teny famaranana ny bokin'i Josoa Izay nosoratan'ny mpanoratra iray nahazo tsindrimandry avy amin' Andriamanitra (Jos. 24:29-33). Sady miłodika mijery ny flainan'i Josoa tamin'ny lasa ireo teny ireo no mibanjina ny hoavy koa; amin'ny fomba ahoana?
Teny mampisaintsaina no entin'ny fehin-tantara mamarana ny bokin'i Josoa, amin'ny fitaterana ny fahafatesan'i Josoa sy i Eleazara mpisoronabe. Mampitaha ny fiainana tany ivelan'ny tany Kanana sy ny fiandohan'ny fiainana ao amin'ilay tany ny mpanoratra raha mitantara ny fandevenana an'i Josoa sy ny fandevenana an'i Eleazara ary ny fandevenana ny taolan'i Josefa. Tsy hirenireny intsony ny Isiraely, ary tsy hitondra intsony ny taolambalon'ireo mpitarika azy any amin'izay alehany. Tany anaty zohy no nandevenan'ireo patriarka ny havan-liany (Gen. 23:13,19; Gen. 25:9,10) tao amin'ny tany iray novidina tany Sekema (Gen. 33:19). Ankehitriny dia mandevina ny mpitarika azy ao amin'ny faritry ny lovany izy ireo; midika ho fitoerana maharitra izany. Efa tanteraka izao ireo teny fikasana nomena ireo patriarka. Ny fahatokian'i Jehovah no kofehy ara-tantara mampifandray ny taranak'Isiraely amin'ny fiainan'izy ireo ankehitriny sy amin'ny hoavy.
Ireo paragrafy farany ao amin'ilay boky no mampifandray ny fitambaran'ny tantara manontolo amin'ny tantara mivelatra kokoa tamin'ny lasa; manokatra lalana ho an'ny hoavy koa anefa izany. Nambaran'ny arsevekan'i Canterbury taloha, George Cary, tao anatin'ny lahateniny tao amin'ny fiangonana Holy Trinity any Shrewsbury fa "taranaka iray sisa dia tsy hisy intsony" ny fiangonana anglikanina.
Raha ny marina, dia tandindomin-doza mandrakariva ny ho fongana ny fiangonana, ary efa tahaka izany tamin'ny andron'ireo vahoakan'Andriamanitra tao amin'ny TT. Efa hifarana izao ny toko iray manan-danja eo amin'ny tantaran'ny Isiraely. Miankina amin'ny valinteny asetrin'izy ireo ny fanontaniana maro mifandraika amin'ny hoavy ny hoaviny. Ho mahatoky amin'i Jehôvah ve ny Isiraely? Ho vitan izy ireo ve ny hanohy ny asa tsy vita amin'ny fakana ny tany Kanana manontolo? Moa ve izy ireo hahay hifikitra amin'i Yahweh ka tsy hivily hanaraka ny fanompoan-tsampy? Nahatoky tamin'i Jehôvah ny taranaka teo ambany fitarihan'i Josoa, saingy handeha eo amin'ny lalana ara-panahy efa nosoritan'io mpitarika lehibe io harahiny ve ny taranaka manaraka? Tsy maintsy miatrika ireo fanontaniana ireo ny taranaky ny vahoakan'Andriamanitra rehetra mifandimby, izay mamaky ny bokin'i Josoa. Ny fahombiazan'izy ireo dia miankina amin'ny toetry ny valinteny asetriny izany eo amin'ny fiainany andavanandro sy ny fitondrantenan'izy ireo manoloana ireo fahamarinana nolovainy.
I Josoa dia "niady ny ady tsara" 2 Tim. 4:7, tahaka an'i Paoly. Inona no tsiambaratelon'ny fahombiazan'i Josoa? Inona no fanapahan-kevitra tokony horaisinao anio, mba hanananao antoka tahaka azy koa ny amin'ny famonjena?