Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.

Daty
Alakamisy 26 June 2025

Tapitra ny fotoan'ny fahababoan'ny vahoakan' Andriamanitra rehefa namely ny tananan'i Babilona i Kyrosy, ary navelan'ireo Persianina niverina tany amin'ny tany nampanantenaina izy ireo mba hanorina indray ny tempoly. Ny fanjakana persianina teo ambany fanapahan'i Kyrosy no tonga fanjakana lehibe indrindra teo amin'ny tantara ka notondroin'ilay mpahay tantara Tom Holland ho "faritany midadasika indrindra teto amin'izao tontolo izao hatrizay." Tom Holland, Dominion Basic Books, Kindle Edition, t. 25.

Nantsoina hoe "mpanjaka lehibe" na "mpanjakan'ny mpanjaka" mihitsy i Kyrosy araka ny fomba fanao teo amin'ny Persianina.

Naneho mialoha ny zavatra hitranga amin'ny fiverenan'i Kristy ho an'ny fiangonany i Kyrosy: i Kristy no Mpanjaka izay ho avy avy any Atsinanana (ampitahao amin'ny Mat. 24:27), hiady amin'i Babilona, ary hanafaka ny vahoakany hivoaka avy ao Babilona ka hiverina any amin'ilay tany nampanantenaina azy ireo. (Jereo ny Apôk. 19:11-16). Izany no antony iantsoan'Andriamanitra an'i Kyrosy hoe "voahosony" (Isa. 45:1); tsy nanafaka ny vahoakan'Andriamanitra fotsiny io Persianina nanan-daza io fa tandindon'ny fiverenan'i Kristy fanindroany koa ny namelezany sy nandreseny an'i Babilona.

Vakio ny 2 Tant. 36:22,23. Inona no mampitovy ny tantaran'i Kyrosy amin'ny an'i Nebôkadnezara? Inona no mahasamy hafa izany? Inona no hevitr'ilay didy navoaka? Inona no fiantraikan'izany teo amin'ny fahaterahan'i Jesôsy. taonjato maro taty aoriana?

Novana ny filaharan'ireo bokin'ny Testamenta Taloha ka nanjary mifarana amin'ny Malakia amin'izao androntsika izao. Tany am-piandohana mantsy dia io fanambarana nataon'i Kyrosy io no namarana ny Testamenta Taloha. Ny bokin'i Matio, izay miantomboka amin'ny fahaterahan'i Kristy ilay Kyrosy tena izy, no fizarana manaraka ao amin'ny Soratra Masina eken'ny fivavahana kristianina ankapobeny. I Kyrosy no nibaiko ny hanarenana indray ny tempoly teto an-tany; i Jesôsy kosa nanomboka ny asa fanompoany tao amin'ny fitoerana masina any an-danitra - izay hiafara amin'ny fiverenany sy ny fanafahana antsika.

Mazava loatra fa tsy fanehoana tonga lafatra an'i Kristy i Kyrosy; tsy misy tandindona mifanitsy tanteraka amin'ny tena izy, ary tokony hitandrina isika tsy handalina ireo tsipiriany madinika indrindra momba azy. Na izany aza, dia nanao asa tandindon'ny asan'ny "Mpamonjy" izy.

Mahavariana ny nampiasan'Andriamanitra mpanjaka jentilisa iray amin'ny fomba miavaka tahaka izany mba hahatanteraka ny Sitrapony. Na ahoana na ahoana ny fisehoan-javatra hitantsika ety ivelany, ahoana no hianarantsika ny fahamarinana fa hotanterahin'Andriamanitra araka ny faminaniana ireo toe-javatry ny andro farany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal