Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.

Daty
Alarobia 25 June 2025

Zavatra iray anisan'ny nampatanjaka an'i Babilona ny nikorianan'ny onin'i Eofrata tao ambanin'ireo mandany, izay namatsy rano tsy tapaka an'ilay tanana. Izany koa anefa no teboka iray nampalemy azy ireo. I Nitocris, mpanjakavavin'i Babilona fahiny, dia nanamboatra lalana mankao amin'ny tanana teo amin'io ony io; tamin'izany no namiliany ny ony ho honahona mba hanamora ny fahafahan'ireo mpiasa miasa. Takatr'i Kyrosy fa azony atao koa ny toy izany; noritiny ny onin'i Eofrata mba hahafahan'izy sy ny tafiny mandeha ao ambanin'ny manda. Vantany vao tafiditra tao anatin'ny mandan'ny tanána izy, dia hitany fa tsy voambina ireo manda nanamorona ny ony izay namakivaky ny tanana, ka tao anatin'ny indray alina monja no nahalavo ilay tanána. Izao no nambaran'i Hérodote mpahay tantara Grika: "Tsy fantatr'ireo mponina tao afovoan'i Babilona mihitsy fa efa rava ireo tanȧna manodidina azy, satria fotoan'ny lanonana tamin'izay ka nandihy sy nanao izay nahafinaritra azy ny rehetra." - Herodotus, The Histories, Tom Holland, trans. (New York: Penguin, 2015), t. 94. Mety hisy ve ny fisalasalana fa io lanonana io ihany no voaresaka ao amin'ny Dan. 5?

Vakio ny Dan. 5:18-31 sy ny Apôk. 16:12-19. Inona no fitoviana hitanao eo amin'ireo loza ambaran'ny Apôkalipsy sy ny tantaran'ny faharavan'i Babilona?

Izao no nampitandreman'i Jesôsy ireo mpianany raha nanazava ny fomba hahalalana irco faimantarana ny fotoan'andro Izy: "Koa amin'izany miambena hianareo; ta tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo. Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha faritatry ny tompon-trano ny fiambenana amin'ny alina izay hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina." Mat. 24:42,43. Tahaka ny tamin'ny andron'ny faharavan'i Babilona no hanampohan'ny fisehoan'i Kristy an'i Babilona mõderina. Tsy voatery izany anefa no hitranga satria efa marobe ny porofon'ny fiavian'i Jesôsy tsy ho ela nomena antsika tao anatin'ireo famiraniana maro izay nomena an-tsipiriany.

Tsy ny tsy fahalalan'izao tontolo izao ny zavatra nambaran'Andriamanitra mialoha no hanampoka azy fa ny nisafidianany tsy hino ny zavatra nambaran'Andriamanitra fa hitranga.

Vakio ny Apôk . 16:15. Na dia ao anatin'izao fotoan'ny fampitandremana izao aza, inona no hafatry ny filazantsara hita eto? Inona no hevitry ny hoe "hita ny fahamenarana?"

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal