Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: MAHALALA AN'I JESÔSY SY NY TENINY - Mitoetra ao amin’ i Jesôsy

Daty
Alakamisy 26 December 2024

Vakio ny Jao. 12:32. Fomba ahoana no anehoan'izany fanambarana manaitra izany ny fahefana ananan'i Jesôsy Kristy?

Araka izay hitantsika manerana ny lesona nandritra ity telovolana ity, ny filazantsaran'i Jaona dia manintona antsika ho eo amin'i Jesôsy. Ny hany fepetran'izany anefa dia ny faniriantsika hahalala an'Andriamanitra sy hanao ny sitrapony. Manerana io filazantsaran'i Jaona io, ny olona izay nifanena tamin'i Jesôsy dia na nandray ny fahazavana ka nitombo na nanda izany fahazavana izany ka tonga jamba. I Nikodemosy, ilay vehivavy teo am-pantsakana, ilay tandapa, ilay lehilahy teo amin'ny farihin'i Betesda, ireo olona dimy arivo nofahanana tamin'ny mofo sy hazandrano, ireo rahalahin'i Jesôsy , ireo mpitarika ara-pivavahana, ilay lehilahy teraka jamba, i Maria sy i Marta, i Pilato - ireo rehetra ireo dia nifanena tamin'i Jesôsy ary nanao safidy mahakasika ny fahamarinana sy ny fahazavana izay nentiny.

Ny teôlôjia avy aty ambany dia miantomboka amin'ny adihevitr'olombelona mba hamaritana sy handinihana ny fisian'Andriamanitra sy ny toetrany. Mipetraka ho ambonin'ilay Andriamanitra masina sy tonga lafatra ary mahalala ny zavatra rehetra ny fomba fijerin'olombelona izay tsy tonga lafatra sy tratry ny fahalavoana ary feno hevitra mibahana mialoha. Azo antoka fa hitondra ny olona ho amin'ny lalan-diso ny teôlôjia avy aty ambany, tahaka izay efa nataony tamin'ny lasa sy mbola hataony amin'ny hoavy (jereo ny Apôk. 14:1-12), rehefa hanery an'izao tontolo izao hanao fiankohofana sandoka ny fahendren'olombelona izay mitady haka ny toeran'ny fahendren'Andriamanitra.

Vakio ny Jao. 15:1-11. Inona no tsiambaratelon'ny fitomboana sy ny fahasalamana ara-panahy?

Ny fanohizana ny fifandraisana amin'i Jesôsy no tsiambaratelo. Izy no Tenin’ Andriamanitra, Mofon'aina, Fahazavan'izao tontolo izao, Vavahadin'ondry, Mpiandry tsara, Fananganana ny maty sy Fiainana, Lalana, Fahamarinana sy Fiainana, ary tena Voaloboka.

Tahaka ny andriamby ireo Persona ao amin'Andriamanitra telo izay iray sy ny Teniny (ny Baiboly). Raha tsy toherina Izy ireo dia hisintona antsika ho eo Aminy. "Miteny amintsika amin'ny alalan'ny teniny ny feon'Andriamanitra; handre feo maro koa isika; efa niteny anefa i Kristy fa tokony hitandrina isika ny amin'ireo milaza hoe aty Kristy na ary. Ahoana àry no hahalalantsika fa tsy marina izay ambaran'izy ireny, raha tsy entintsika eo amin'ny Soratra Masina izany?" - The Advent Review and Sabbath Herald, 3 Avrily 1888. Rehefa izay, dia tsy maintsy mampilefitra ny fomba fijerintsika manokana eo anatrehan'izay voalazan'ny Tenin'Andriamanitra isika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal