Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: NY FITIAVANA NO FAHATANTERAHANA NY LALANA - Lalàm-pitiavana.

Daty
Alahady 23 March 2025

Tsy fitsipika manjavozavo no mandrafitra ny lalan'Andriamanitra, fa maneho fifandraisana kosa izany. Hita mazava tsara ao amin'ny Didy folo izany. Efa napetraka hatrany amin'ny saha Edena ny foto-kevitra iorenan'ny Didy folo, dia ny foto-kevitry ny fitiavana izay tokony hifehy ny fifandraisan'Andriamanitra sy ny olombelona, ary ny olona samy olona.

Rehefa nosoratana tamin'ny vato fisaka ny Didy Folo ao amin'ny Eks. 20, dia tao anatin'ny tontolon-kevitry ny fifandraisana ao anatin'ny fanekena no nanomezana izany ny Isiraely. Taorian'ny nanafahan'ny Tompo ny vahoaka avy tao Egipta no nanoratana ireo didy ireo, ary ny fitiavan'Andriamanitra sy ny teny fikasany ho an'ny firenena no fototra niorenany (jereo ny Eks. 6:7,8 sy ny Lev. 26:12). Hitantsika ao amin'ireo fizarana roan'ny Didy Folo fa mikendry izay hahatsara ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra sy ny fifandraisany amin'izy samy izy izany.

Vakio ny Eks. 20:1-17. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo foto-kevitra roa, dia ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa?

Mikasika ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra ireo didy efatra voalohany, ary ireo enina sisa kosa dia momba ny fifandraisan'ny olona samy olona. Tsy maintsy fehezin'ny foto-kevitry ny lalàn'Andriamanitra ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa.

Ireo fizarana roa ao amin'ny lalana ireo dia mifanandrify indrindra amin'ilay lazain'i Jesôsy hoe didy roa lehibe indrindra - "Tiava an'i Jehôvah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra - Mat. 22:37 (ampitahao amin'ny Deo. 6:5), sy "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" - Mat. 22:39 (ampitahao amin'ny Lev. 19:18).

Ambaran'i Jesôsy mazava ny fifandraisan'ireo didy roa lehibe ireo tanteraka amin'ny lalàna. "Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany."-Mat. 22:40.

Araka izany dia miorina amin'ny fitiavana ny lalàn'Andriamanitra manontolo; tsy azo sarahina ny fitiavan'Andriamanitra sy ny lalàna. Fandrentsika matetika ny hoe: "Tsy mila mitandrina ny lalana isika fa ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny hafa dia ampy." Nahoana no tsy mitombina izany hevitra izany?

Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana an'Andriamanitra na fitiavana ny hafa raha toa ka dikaintsika ny Didy folo, na ny anankiray amin'izany monja aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal