Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: NY FITIAVANA NO FAHATANTERAHANA NY LALANA - Mihoatra ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara.

Daty
Alakamisy 27 March 2025

Raha ny fitiavana no fahatanterahana ny lalána, dia tsy ho voatandrintsika amin'ny fahafenoany ny lalán Andriamanitra amin'ny fiezahantsika fotsiny tsy hanao ratsy. Ny lalan'ny fitiavana mihitsy (izay hita ao amin'ny Soratra Masina manontolo) no tsy mibaiko antsika tsy hanao ratsy fotsiny. fa mandrisika antsika hanao asa izay maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny hafa koa-tsy amin'ireo mambran'ny fiangonana ihany fa amin'ny olona maneran-tany, izay tena mila ny fijoroana ho vavolombelona avy amin'ny Kristianina marina.

Vakio ny Jak. 2:9. Inona ny hafatra lehibe omena antsika eto?

Melohin'i Jakôba mafy ny tsy rariny eo amin'ny fiarahamonina eto, ka asongadiny manokana amin'izany ny fanalam-baraka ny malahelo sy ny fampahoriana ataon'ny mpanankarena sasany. Avy eo dia sarihiny ho amin'ny lalan'ny fitiava-namana ny saina, ka lazainy fa raha mankato izany lalána izany isika, dia "manao tsara" (Jak. 2:8).

Hoy i Ellen G. White: "Ny fitiavana ny olona no fisehoan'ny fitiavan'Andriamanitra eto an-tany. Ny hampitoetra io fitiavana io, ny hanao antsika ho zanaky ny fianakaviana iray no nahatonga ny Mpanjakan'ny voninahitra ho iray amintsika. Ary rehefa tanteraka ny teny nataony raha handeha Izy hoe: 'Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo' - Jao. 15:12; rehefa tia an'izao tontolo izao tahaka ny nitiavany azy isika, amin'izay dia tanteraka ho antsika ny asa nanirahana Azy. Vonona ho any an-danitra isika satria manana ny lanitra ao am-pontsika."- IFM, 1. 535 (ed. 2023).

Rehefa tia an'izao tontolo izao tahaka ny nitiavan'i Kristy azy isika, dia "vonona ho any an-danitra". Maneho mazava ny atao hoe mpanara-dia an'i Kristy tokoa izany!

Nandidy ny mpianany mba hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo i Jesõsy (Jao. 13:34). Hoy koa i Jesōsy: "Izany no ahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia." Jao. 13:35. Manan-danja lehibe amin'ny finoana kristianina tokoa ny fitiavana satria Andriamanitra dia fitiavana (1 Jao 4:8,16). Ary izay mitory an'Andriamanitra fitiavana dia tsy maintsy mifankatia (ampitahao amin'ny 1 Jao. 3:11; 4:20,21).

Toy izany koa, misy antso ho an'ny Kristianina ao amin'ny 1 Pet. 4:8: "Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa 'ny fitiavana manarona fahotana maro" (jereo koa ny Heb. 10:24 sy ny 1 Tes. 3:12).

Saintsaino ny hoe: tia an'izao tontolo izao tahaka ny nitiavan'i Kristy an'izao tontolo izao. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra mazava kokoa ny atao hoe fahatanterahana kristianina, sy ny fomba hahavonona antsika ho any an-danitra? Ento eo amin'ny kilasy ny valin-teninao amin'ny Sabata.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal