Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.

Daty
Alahady 21 June 2026

Rehefa mijery ny manodidina antsika isika dia mahita tontolo mikorontana sy mitaraina, ary ireo famantarana nambaran'i Jesosy dia efa tanteraka eo imasontsika. Ady sy filazana ady, firenena mitsangana hamely firenena, mosary, areti-mandringana, horohoron-tany, ary fanenjehana (Mat. 24:6-11) no hita manodidina antsika ary toe mihamahery vaika arakaraka ny andehanan'ny fotoana. Eny tokoa, miaina ao anatin'ny fotoan-tsarotra isika, fotoana izay ilantsika fifandraisana tsy tapaka amin'Andriamanitra.

Hoy ny Soratra Masina amintsika: "Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonona tena ho amin'ny fivavahana." - 1 Pet. 4:7. Raha toy izany tamin'izany andro izany, dia mainka amin'izao andro izao no fotoana tokony hanamafisana ny fifandraisanao manokana amin'Andriamanitra. Ary na haharitra ela na tsia ny fotoana, dia fohy mandrakariva ny fotoana iainan'ny tsirairay, na dia izay ela velona aza. "He! hianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso hianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany hianareo, izay miseho vetivety, dia levona." - Jak. 4:13,14. Fantatsika fa marina izany fampitandremana izany. lanao izay mamaky izao teny izao dia mety tsy ho velona intsony amin'ny fotoana hifaranan'ny tantaran'ny tany. (zany no ampahany amin'ny zava-mahonena momba ny fiainana eto amin'ny tontolo iray lava Araka izany, zava-dehibe manao ahoana re ny fahazoana antoka momba ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy ny fahatnsiarovantsika mandrakariva fa mila Azy sy ny fahasoavany mahavonjy isika! Fangatahana amin'ny endriny kanto, izay miantefa amin'Andriamanitra, no hita ao amin'ny Sal. 80.

Vakio ny toko manontolo, ary diniho manokana ny and. 1-3, 14-17, 18, 19, ary soloy "izaho/ahy" ny hoe "izahay/anay". Na dia hafa aza ny fotoana sy ny toerana ary ny tontolon-kevitra mifandraika amin'io Salamo io, ahoana no ifandraisan'izany amin'ny fiainanao manokana?

Mila fifohazana isika rehetra eo amin'ny fiainantsika. More ny tsy miraika na manadino ny zavatra nataon'Andriamanitra sy ataony ho anao. Iza moa no mpino mahatoky, na die ao anatin'ny tolona aza, no tsy afaka hivavaka toy izao: "ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay." - Sal. 80:19? Rehefa ekenao izay efa nataon'i Jesosy ho anao, rehefa fantatrao fa efa voavela ny helokao ary voarakotry ny fahamarinany tonga lafatra ianao, izay omena anao amin'ny finoana, die afaka matoky ianao fa voavonjy ao Aminy.

Ahoana no fahatakaranao ny dikan'ny hoe Andriamanitra"mampamirapiratra" ny tavany aminao, indrindra eo anatrehan'ny fahafantaranao fa ny Fahamarinany irery ihany no mahavonjy anao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal