Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.

Daty
Alarobia 24 September 2025

NY FANATREHAN'ANDRIAMANITRA TAO AMIN'NY TABERNAKELY

Vakio ny Eks. 40:1-38. Ahoana no nahafantaran'ny Isiraelita ny fanatrehan’Andriamanitra?

Manoritsoritra ny fanokanana ny tabernakely sy ny fanomezana ny Didy Folo ny toko farany ao amin'ny Eksodosy (Eks. 40). Ny fanokanana ny tabernakely no tranga manan-danja indrindra ho an'ny Isiraely tao Sinay.

Ny voninahitr Andriamanitra dia ny fahamasinany, ny toetrany, ary ny fanatrehany feno fitiavana, izay fahatsaram-panahy tanteraka (Eks. 3:5; Eks. 33:18,19). Nameno ny tabernakely ny fanatrehany, ary hita maso toy ny rahona ny voninahitry ny Shekinah. Mifarana amin'ny fanasongadinana ny fanatrehan'Andriamanitra mitarika ny vahoakany ny bokin'ny Eksodosy, dia ny andry rahon'i Jehôvah amin'ny andro, ary ny andry afo amin'ny alina. Natao hahita marina sy mazava ny fisian'Andriamanitra ny vahoaka Hebreo, ary tsy izany ihany fa hahatsapa koa ny fanatrehany akaiky sy mahantra teo am-pitarihany azy ireo.

Nanangana ny tabernakely i Mosesy tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa (Eks. 40:2,17). Nanamasina ny zavatra rehetra momba ny taberankely koa izy - anisan'izany i Arona sy ny zanany izay nohosorana ho amin'ny fisoronana (Eks. 40:9,13-15) tamin'ny alalan'ny diloilo fanosorana. Namakivaky ny Fitoerana Masina Indrindra, ny Fitoerana Masina ary ny kianja izy, ka nanamasina izany rehetra izany ho an'i Jehôvah . Tamin'izany fomba izany no nanombohana ny fanompoana tao amin'ny fitoerana masina manontolo (jereo koa ny Nom. 7:1). Nandritra ny fanokanana ny tabernakely ihany no nahafahan'i Mosesy niditra tao amin'ny Fitoerana Masina Indrindra; taorian'izay kosa dia ny mpisoronabe ihany no afaka nanao fanompoana tao, isan-taona, tamin'ny Andro Fanavotana (Lev. 16:2,17).

Intelo no lazaina ao amin'ny Baiboly fa vita ny asa: (1) tamin'ny faran'ny herinandron’ny Famoronana (Gen. 2:1-3); (2) tamin'ny fahavitan'ny tabernakely, izay nilazana hoe: "Dia vitan'i Mosesy ny asa rehetra" (Eks. 40:33); ary (3) rehefa vitan'i Solomona ny asa tarnin'ny tempoly (1 Mpanj. 7:51).

lo fifandraisana misy eo amin'ny Famoronana sy ny fitoerana masin'ny isiraely io dia manondro izay hitranga rahatrizay, amin'ny fotoana hiarahan'ny Tompo monina amin'ireo voavotra any amin'ny tany vaovao, ao Jerosalema. Vaovao, izay "Tabernakelin’Andriamanitra" (Apôk. 21:2,3; ampitahao amin'ny Apôk. 22:1-4).

Amin'ireo tranga rehetra, nanomboka tamin'ny fahaterahan'i Mosesy, avy eo ny faharesen'ireo andriamanitra egyptianina nandritra ny loza 10, ny fialana tao Egypta, sy ny faharesen'ny tafika egyptianina, ary farany, ny fanambarana nataon Andriamanitra teo an-tendrombohitra Sinay, dia ny fanatrehan'Andriamanitra nameno ny tabernakely (Eks. 40:34) no faratampony.

Amin'ny fomba ahoana no mety hahatsapanao ny fanatrehan' Andriamanitra na dia ankehittiny aza? Nahoana no zava-dehibe ny fahatsapanao izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal