Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - FAHAFANTARANA NY MAHA-ANDRIAMANITRA : Ny fitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty

Daty
Alakamisy 10 October 2024

Toe-javatra mampalahelo no mameno ny Jao. 11 — ny vaovao ratsy momba ny aretin'ny sakaiza tiana iray (Jao. 11:1-3); ny fitomaniana noho ny nahafatesany (Jao. 11:19,31,33); ny fitarainan'ireo anabaviny ny amin'ny tsy naha-teo an'i Jesôsy satria raha teo Izy dia tsy ho faty toy izao ny anadahiny (Jao. 11:21,32); ary ny nitomanian'i Jesôsy (Jao. 11:35).

Taraiky anefa i Jesôsy. Roa andro taoriana Izy vao niainga ho any amin'i Lazarosy (Jao. 11:6), ary nolazainy aza fa faly Izy noho ny tsy nandehanany aloha (Jao. 11:14,15). Tsy avy amin'ny fangatsiaham-po tsy akory izany fihetsiny izany, fa mba hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra.

Efa maty efatra andro i Lazarosy vao tonga ao amin'ny Jao. 11:17-27 isika. Inoana fa efa nisy fofona izany maty hefarana izany, araka ny tenin'i Marta hoe: "Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay."— Jao. 11:39. Tsy isalasalana fa nanjary nanaitra kokoa aza ilay fahagagana nitranga avy eo, vokatry ny fahataran'i Jesôsy. Natsangany ny maty efa maimbo! Inona indray no porofo hafa tokony homen'i Jesôsy mba hanehoana fa Andriamanitra izy?

Ary amin'ny maha-Andriamanitra Azy, Izay namorona ny aina tany am-piandohana, dia nanana hery handresena ny fahafatesana Izy. Nohararaotin'i Jesôsy io fotoana io, dia ny nahafatesan'i Lazarosy, mba hanambarana fahamarinana iray lehibe momba ny Tenany. "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay." — Jao. 11:25,26.

Vakio ny Jao. 11:38-44. Inona no nataon'i Jesôsy ho fanohanana ny fanambarany?

Tahaka ny nampisehoan'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny nampahiratany ilay lehilahy jamba fa Izy no fahazavan'izao tontolo izao (Jao. 9:7), dia natsangany tamin'ny maty i Lazarosy teto mba hanaporofoana fa Izy no fananganana ny maty sy fiainana (Jao. 11:25).

Manondro an'i Jesôsy ho Mpanome fiainana, ho Andriamanitra mihitsy, ity fahagagana ity, mihoatra noho ny fahagagana hafa rehetra. Manohana tsara ny hevitra voizin'i Jaona izany, fa Zanak'Andriamanitra tokoa i Jesôsy ary afaka manana fiainana amin'ny alalany isika, amin'ny alalan'ny finoana (Jao.). 20:30,31).

Any amin'ny faran'ity tantara mahatalanjona ity anefa (Jao. 11:45-54), izay betsaka no nino rehefa nahita izany (Jao. 11:45), dia misy toe-javatra mahatsikaiky sady mampalahelo. Nasehon'i Jesôsy fa mahay manangana amin'ny maty Izy, kanefa izao dia mihevitra ireto olona ireto fa hahasakana Azy amin'ny famonoana Azy ho faty! Ohatra maneho ny fahadalan'ny olombelona tokoa izany eo anatrehan'ny fahendrena sy ny herin'Andriamanitra! 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal