Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana

Daty
Sabotsy 04 October 2025

Hodinihana mandritry ny herinandro: Jos.2:1-21; Nom. 14:1-12; Heb. 11: 31; Eks.12:13; Jos. 9; Neh. 7:25.

Tsianjery: "Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany talin’ny fihavanana izy." - Heb.11:31

Nahoanan re aho no nanao izany indray e? Angamba efa niteny toa izany avokoa isika rehetra. Ny tantara rahateo miverina, ary tsy vitan'izany fa ny olombelona koa, ary isika manokana, dia mamerin-javatra. Impiry moa isika no mamerina fahadisoana iray!

Namindrana fo indray ny Isiraely mba ho tafiditra ao amin'ny Tany Nampanantenaina, ary raisi n'i Josoa am-po izany iraka izany. Voalohany, andeha hotakarintsika mazava ny momba izay natrehin'izy ireo. Naniraka mpisafo tany roa i Josoa mba hahalalany izay tokony ho fantatra momba ny tany: ny rafi-piarovana azy, ny fahavononany ara-miaramila, ny famatsian-dranon'ny tanàna, ary ny toetran'ny mponina manoloana ny fanafihana.

Mety hihevitra isika fa tsy nitaky ezaka avy tamininy Isiraely ilay teny fikasan'Andriamanitra hanome azy ireo ny tany. Kanefa na manana antoka ny fanohanana avy amin'Andriamanitra aza izy ireo dia tsy manafoana ny andraikitry ny olombelona izany. Nijoro fanindroany teo amin'ny sisin-tanin'i Kanana ny Isiraely. Namelovelo ny fanantenany; nefa tamin'ilay fotoana farany nijoroan'izy ireo teo amin'io sisin-tany io, sy nampanaovana azy io asa io, dia tsy fahombiazana nampivalaketraka no vokany.

Ho hitantsika amin'ity herinandro ity ny roa amin'ireo tantara mahaliana indrindra ao amin'ny bokin'i Josoa, ary ho tsapantsika ny lanjan'izany ho an'ny finoantsika ankehitriny. Mahatalanjona antsika hatrany ny fahasoavan' Andriamanitra, amin'ny fomba tsy misy fetra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal