Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.

Daty
Alarobia 08 October 2025

SOATOAVINA MIFANOHITRA

Vakio ny Jos. 9:1-20. Inona no mampitovy sy mahasamy hafa ny tantaran'i Rahaba sy ny an'ireo Gibeonita? Nahoana no manan-danja izany?

Manomboka amin'ny fampahafantarana antsika io toko ao amin'ny Josoa io fa ireo mpanjaka kananita izay efa zatra nanjaka tao amin'ireo tanana-fanjakana madinika dia nanapa-kevitra ny hitambatra hanohitra ny Isiraelita. Ny mponin'i Gibeona kosa nanapa-kevitra ny hanao fanekena amin'ny Isiraely.

Mba hamitahana ny Isiraelita ka hanaovany fanekena aminy, dia nampiasa tetika ny Gibeonita ka mody niseho ho iraka avy tany amin'ny firenen-kafa. Araka пу Deo. 20:10-18 mantsy dia nanisy fanavahana teo amin'ny Kananita sy ireo olona nonina tany ivelan'ny Tany Nampanantenaina Andriamanitra.

Ny teny nadika hoe "nanao hafetsena" dia azo ampiasaina amin'ny heviny tsara, manambara fahamalinana sy fahendrena (Ohab. 1:4; Ohab. 8:5,12), na amin'ny heviny ratsy, manambara fikasan-dratsy (Eks. 21:14; 1 Sam. 23:22: Sal. 83:3). Raha ny amin'ny Gibeonita dia fikasana hiaro tena no tena tao ambadiky ny fihetsiny feno fitaka, fa tsy fikasana hanao ratsy loatra

Manaitra ny fitovian'ny lahatenin'ireo Gibeonita amin'ny an'i Rahaba. Samy niaiky ny herin'ny Andriamanitry ny Isiraely izy ireo, ary samy niaiky fa tsy vitan'ny herin'olombelona fotsiny ny fahombiazan'ny Isiraely. Tsy tahaka ireo Kananita hafa izy ireo, satria tsy nanohitra ny fikasan'i Jehovah hanome ny tany ho an'ny Isiraelita, ary niaiky izy ireo fa ny Tompo mihitsy no nandroaka ireo firenena ireo teo anoloan'ny Isiraely. Ny fahafantarana ny vaovao momba ny fanafahana avy tany Egypta, sy ny fandresena an'i Sihona sy Oga, no nanosika an-dRahaba sy ny Gibeonita hanao izay ifanarahana tamin'ny Isiraelita. Saingy, tsy nanolo-tena tanteraka hanaraka ny Andriamanitry ny Isiraely toy ny nataon-dRahaba ny Gibeonita, fa nampiasa fitaka kosa.

Araka ny lalan'i Mosesy dia azo atao ny mahafantatrany sitrapon'Andriamanitra amin'ny toe-javatra tahaka izany (Nom. 27:16-21). Tokony ho nanontany ny sitrapon'i Jehovah i Josoa ka tsy ho nahazo azy ny famitahan'ireo Gibeonita.

Ny adidy fototra natao hiantsorohan'ny mpitarika notendren'Andriamanitra, sy ny mpitarika kristianina rehetra, dia ny mikatsaka ny sitrapon'Andriamanitra (1 Tant. 28:9; 2 Tant. 15:2; 2 Tant. 18:4; 2 Tant. 20:4). Noho ny fanaovana tsinontsinona izany dia voatery nisafidy ny Isiraelita, na handika ny fepetra fototra hahazoana ny tany na handika ny fianianana natao tamin'ny anaran'i Jehovah, izay samy nanan-kery.

Impiry ianao no efa tojo fahasahiranana manoloana ny soatoavina ara-Balboly anankiroa toa mifanohitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal