Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 - FAMANTARANA NY MAHA-ANDRIAMANITRA : Ny fanasitranana ilay jamba (Fizarana 1)

Daty
Talata 08 October 2024

Vakio ny Jao. 9:1-16. Mona no noheverin'ny mpianatra ho anton'ny fahajamban'ity lehilahy ity, ary ahoana no nanitsian'i Jesôsy izany fiheveran-disony izany?

Nampifandraisin'ny mpianatra tamin'ny fahotana ny aretina. Mirona ho amin'izany hevitra izany ny andininy maro ao amin'ny TT (ampitahao amin'ny Eks. 20:5; 2 Mpanj. 5:15-27; 2 Mpanj. 15:5; 2 Tant. 26:16-21), saingy ny tantaran'i Joba dia tokony ho nahatonga azy ireo hitandrina fa tsy voatery hifandray mandrakariva amin'ny fahotana ny aretina.

Nataon'i Jesôsy mazava ny resaka. Tsy nolaviny ny fifandraisana misy eo amin'ny fahotana sy ny fahoriana, fa nasongadiny kosa ny fisian'ny tanjona ambony kokoa teto, dia ny hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fahasitranana. Toa mampitamberina ny tantaran'ny Famoronana ity fitantarana ity, dia ny namoronan'Andriamanitra ny olombelona voalohany tamin'ny alalan'ny vovo-tany (Gen. 2:7), rehefa nanao feta i Jesôsy mba hanomezana an'ilay jamba izay tsy nananany hatrany am-bohoka.

Manaraka firafitra mitovy ny fitantarana io fahagagana lo ao amin'ny Matio sy Marka ary Lioka: fanehoana ny olona, fitondrana ilay olona ho eo amin'i Jesôsy , fahasitranana, ary fahatsapana ny fahasitranana izay miseho amin'ny fiderana an'Andriamanitra.

Manaraka io firafitra io koa ny Jaona 9 hatreo amin'ny andininy 7. Fa ity no mampiavaka an'i Jaona: nyadihevitra momba nydikan'ilayfahagagana no mibahana, izay nahatonga fifampiresahana maharitra teo amin'ilay lehilahy sitrana sy ireo mpitondra fivavahana. Mihodina manodidina ireto hevitra mifanohitra mandeha tsiroaroa ireto io adihevitra manaitra io: ny fahotana sy ny asan'Andriamanitra etsy andaniny, ary ny fahajambana sy ny fahiratana etsy ankilany.

Tsy milaza amin'ny mpamaky ny mpanoratra, raha tsy any amin'ny Jao. 9:14, fa tamin'ny andro Sabata no nanaovan'i Jesôsy io fanasitranana io, izay raha araka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa tsy araka ny Soratra Masina, dia fandikana ny Sabata. Araka izany, ho an'ny Fariseo dia mpandika ny Sabata i Jesôsy. Nanao tsoa-kevitra izy ireo fa tsy avy amin'Andriamanitra Izy satria "tsy mitandrina ny Sabata". Nahavery hevitra ny sasany anefa ny hoe ahoana no hahaizan'ny mpanota manao fahagagana toy izany (Jao. 9:16).

Mbola tsy tapitra akory ny adihevitra dia nipoitra sahady ny fisarahan-tsaina. Nihanazava tamin'ilay jamba ny momba ny maha-Izy an'i Jesôsy, fa ireo mpitondra fivavahana kosa nihavery hevitra sy jamba ny amin'ny hoe iza marina i Jesôsy.

Inona no tokony hambaran’io tantara io antsika momba ny fahajambana? Sao dia jamban'ny fiheverantsika manokana isika na ny fomban-drazana, hany ka tsy mahita ireo fahamarinan-dehibe eo anoloan’ny masontsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal