Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Famindrampo nafoy.

Daty
Alarobia 08 January 2025

Mandrakizay ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy mendrika izany mandrakariva isika. Mety handa tsy handray izany anefa ny olombelona. Omena fahafahana mandray na manda izany fitiavana izany isika, ary iray ihany no anton'izany: tia antsika maimaimpoana amin'ny fitiavana tonga lafatra sy mandrakizay Andriamanitra na dia tsy mbola manao na inona na inona akory aza isika (Jer. 31:3). Ny fitiavantsika an'Andriamanitra dia setrin'izay efa nomena antsika na dia tsy mbola nangataka akory aza isika.

Vakio ny 1 Jao. 4:7-20 ary ifantohy manokana ny and. 7 sy 19. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny laharam-pahamehan'ny fitiavan’Andriamanitra?

Mialoha ny fitiavantsika mandrakariva ny fitiavan'Andriamanitra. Raha tsy tia antsika aloha Izy tsy ho afaka nanisy setriny izany fitiavany izany isika. Rehefa namorona sy nanome antsika ny fahafaha-mitia sy mandray fitiavana Andriamanitra, dia Izy mihitsy no fototra sy loharanon'ny fitiavana rehetra. Afaka misafidy anefa isika, ny handray io fitiavana io sy haneho ny taratr'izany eo amin'ny fiainantsika na tsia. Aseho ao amin'ny fanoharana nataon'i Kristy momba ilay mpanompo tsy nety namela heloka izany fahamarinana izany (jereo ny Mat. 18:23-35).

Hitantsika ao amin'io fanoharana io fa tsy nahita fomba nahafahana nandoa ny trosa tokony hefainy amin'ny tompony ilay mpanompo. Ambaran'ny Mat. 18 fa talenta 10.000 no tokony naloan'ity mpanompo ity amin'ny tompony. Tokony ho denaria 6.000 izany, ny denaria iray anefa dia karama omena ny mpiasa anankiray ho an'ny andro iray iasany (ampitahao amin'ny Mat. 20:2). Araka izany, dia mila 6.000 andro eo ho eo ny mpiasa anankiray mba hahazoany talenta iray. Rehefa avy manisa ireo andro tsy iasana ianao dia andeha atao hoe 300 andro isan-taona eo ho eo no iasan'ny mpiasa iray ka ahazoany 300 denaria ao anatin'ny herintaona. Araka izany, eo amin'ny 20 taona eo no ilain'ny mpiasa tsotra iray mba handoavany talenta iray (denaria 6.000/300=20). Mba hahazoan'ny mpiasa tsotra iray talenta 10.000 dia mandritra ny 200.000 taona no tsy maintsy iasany. Raha fintinina, dia tsy afaka ny hanefa ny trosany mihitsy izany mpiasa izany. Niantra ity mpanompo ity ny tompony ka namoy tanteraka ny trosany be tany aminy.

Rehefa tsy nety namoy ny trosa izay kely lavitra noho ny azy (denaria 100) tany amin'ny mpanompo namany anefa ity mpanompo voavela heloka ity ka nandefa io namany io tany an-tranomaizina mandra-panefany izany, dia tezitra mafy ny tompony ka nanafoana ny famelan-keloka feno famindram-po efa natolony azy. Verin'ilay mpanompo tamin'izany ny fitiavan'ny tompony sy ny famelan-keloka avy aminy. Na dia tsy mety ritra aza ny fiantran'Andriamanitra sy ny famindrampony, dia mety hanosi-bohon-tanana na hamoy ireo tombontsoan'izany fiantrana sy famindrampo izany ihany ny olona.

Saintsaino ny fahotana izay efa nahazoanao famelana sy izay notakina taminao mba hahazoanao ny famelan-keloka avy amin'i Jesôsy . Inona no tokony hambaran'izany aminao momba ny tokony hamelanao ny heloky ny hafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal