Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Famindrampo nafoy.

Daty
Alarobia 08 January 2025

Mandrakizay ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy mendrika izany mandrakariva isika. Mety handa tsy handray izany anefa ny olombelona. Omena fahafahana mandray na manda izany fitiavana izany isika, ary iray ihany no anton'izany: tia antsika maimaimpoana amin'ny fitiavana tonga lafatra sy mandrakizay Andriamanitra na dia tsy mbola manao na inona na inona akory aza isika (Jer. 31:3). Ny fitiavantsika an'Andriamanitra dia setrin'izay efa nomena antsika na dia tsy mbola nangataka akory aza isika.

Vakio ny 1 Jao. 4:7-20 ary ifantohy manokana ny and. 7 sy 19. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny laharam-pahamehan'ny fitiavan’Andriamanitra?

Mialoha ny fitiavantsika mandrakariva ny fitiavan'Andriamanitra. Raha tsy tia antsika aloha Izy tsy ho afaka nanisy setriny izany fitiavany izany isika. Rehefa namorona sy nanome antsika ny fahafaha-mitia sy mandray fitiavana Andriamanitra, dia Izy mihitsy no fototra sy loharanon'ny fitiavana rehetra. Afaka misafidy anefa isika, ny handray io fitiavana io sy haneho ny taratr'izany eo amin'ny fiainantsika na tsia. Aseho ao amin'ny fanoharana nataon'i Kristy momba ilay mpanompo tsy nety namela heloka izany fahamarinana izany (jereo ny Mat. 18:23-35).

Hitantsika ao amin'io fanoharana io fa tsy nahita fomba nahafahana nandoa ny trosa tokony hefainy amin'ny tompony ilay mpanompo. Ambaran'ny Mat. 18 fa talenta 10.000 no tokony naloan'ity mpanompo ity amin'ny tompony. Tokony ho denaria 6.000 izany, ny denaria iray anefa dia karama omena ny mpiasa anankiray ho an'ny andro iray iasany (ampitahao amin'ny Mat. 20:2). Araka izany, dia mila 6.000 andro eo ho eo ny mpiasa anankiray mba hahazoany talenta iray. Rehefa avy manisa ireo andro tsy iasana ianao dia andeha atao hoe 300 andro isan-taona eo ho eo no iasan'ny mpiasa iray ka ahazoany 300 denaria ao anatin'ny herintaona. Araka izany, eo amin'ny 20 taona eo no ilain'ny mpiasa tsotra iray mba handoavany talenta iray (denaria 6.000/300=20). Mba hahazoan'ny mpiasa tsotra iray talenta 10.000 dia mandritra ny 200.000 taona no tsy maintsy iasany. Raha fintinina, dia tsy afaka ny hanefa ny trosany mihitsy izany mpiasa izany. Niantra ity mpanompo ity ny tompony ka namoy tanteraka ny trosany be tany aminy.

Rehefa tsy nety namoy ny trosa izay kely lavitra noho ny azy (denaria 100) tany amin'ny mpanompo namany anefa ity mpanompo voavela heloka ity ka nandefa io namany io tany an-tranomaizina mandra-panefany izany, dia tezitra mafy ny tompony ka nanafoana ny famelan-keloka feno famindram-po efa natolony azy. Verin'ilay mpanompo tamin'izany ny fitiavan'ny tompony sy ny famelan-keloka avy aminy. Na dia tsy mety ritra aza ny fiantran'Andriamanitra sy ny famindrampony, dia mety hanosi-bohon-tanana na hamoy ireo tombontsoan'izany fiantrana sy famindrampo izany ihany ny olona.

Saintsaino ny fahotana izay efa nahazoanao famelana sy izay notakina taminao mba hahazoanao ny famelan-keloka avy amin'i Jesôsy . Inona no tokony hambaran'izany aminao momba ny tokony hamelanao ny heloky ny hafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal