Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 04 January 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Pet. 3:9; Deo. 7:6-9; Rôm. 11:22; 1 Jao. 4:7-20; Jao. 15:12; 1 Jao. 3:16.

Tsianjery: "Jesôsy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy." - Jao. 14:23

Maro ny fampianarana milaza fa ny teny grika agape dia manondro ny fitiavana izay an'Andriamanitra manokana, ary ireo teny hafa hoenti- milaza ny fitiavana kosa, tahaka ny phileo, dia manondro karazam- pitiavana hafa latsadatsaka kokoa noho ny agape. Misy koa ireo manambara fa manondro fitiavana izay manome fa tsy mandray na oviana na oviana ny agape, fitiavana izay tsy miankina amin'ny valiny asetrin'ny olombelona azy.

Rehefa dinihina tsara anefa ny fitiavan'Andriamanitra manerana ny Soratra Masina dia hita ny mahadiso ireo hevitra ireo, na dia maro aza ny olona mino izany. Voalohany, tsy ny fitiavan'Andriamanitra irery ihany no tondroin'ny teny grika hoe agape fa ny fitiavan'olombelona koa, eny fa na dia tsy araka izay tokony ho izy aza indraindray ny fitiavan'olombelona (2 Tim. 4:10). Faharoa, manerana ny Soratra Masina, dia marobe ny teny manondro ny fitiavan'Andriamanitra ankoatra ny agape. I Jesôsy , ohatra, dia nampianatra hoe: "ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho." - Jao. 16:27. Ny teny grika phileo izay ampiasaina eto dia tsy manondro ny fitiavan'olombelona fotsiny fa manondro ny fitiavan'Andriamanitra ny olona koa. Araka izany, tsy karazam-pitiavana tsy tonga lafatra no tondroin'ny phileo fa ny fitiavan'Andriamanitra mihitsy.

Ampianarin'ny Soratra Masina koa fa tsy mandeha ila ny fitiavan'Andriamanitra fa fitia mifamaly satria misy lanjany lehibe Aminy ny famalian'ny olombelona na tsia ny Fitiavany sy ny fitiavantsika ny hafa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal