Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2 : FITIAVANA MIORINA AMIN’NY FANEKENA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 04 January 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Pet. 3:9; Deo. 7:6-9; Rôm. 11:22; 1 Jao. 4:7-20; Jao. 15:12; 1 Jao. 3:16.

Tsianjery: "Jesôsy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy." - Jao. 14:23

Maro ny fampianarana milaza fa ny teny grika agape dia manondro ny fitiavana izay an'Andriamanitra manokana, ary ireo teny hafa hoenti- milaza ny fitiavana kosa, tahaka ny phileo, dia manondro karazam- pitiavana hafa latsadatsaka kokoa noho ny agape. Misy koa ireo manambara fa manondro fitiavana izay manome fa tsy mandray na oviana na oviana ny agape, fitiavana izay tsy miankina amin'ny valiny asetrin'ny olombelona azy.

Rehefa dinihina tsara anefa ny fitiavan'Andriamanitra manerana ny Soratra Masina dia hita ny mahadiso ireo hevitra ireo, na dia maro aza ny olona mino izany. Voalohany, tsy ny fitiavan'Andriamanitra irery ihany no tondroin'ny teny grika hoe agape fa ny fitiavan'olombelona koa, eny fa na dia tsy araka izay tokony ho izy aza indraindray ny fitiavan'olombelona (2 Tim. 4:10). Faharoa, manerana ny Soratra Masina, dia marobe ny teny manondro ny fitiavan'Andriamanitra ankoatra ny agape. I Jesôsy , ohatra, dia nampianatra hoe: "ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho." - Jao. 16:27. Ny teny grika phileo izay ampiasaina eto dia tsy manondro ny fitiavan'olombelona fotsiny fa manondro ny fitiavan'Andriamanitra ny olona koa. Araka izany, tsy karazam-pitiavana tsy tonga lafatra no tondroin'ny phileo fa ny fitiavan'Andriamanitra mihitsy.

Ampianarin'ny Soratra Masina koa fa tsy mandeha ila ny fitiavan'Andriamanitra fa fitia mifamaly satria misy lanjany lehibe Aminy ny famalian'ny olombelona na tsia ny Fitiavany sy ny fitiavantsika ny hafa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (34)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal