Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - ny fahafatesana.

Daty
Alarobia 09 April 2025

Azo inoana fa ny lafiny mahatsiravina indrindra amin'ny fiainana eto amin'izao tontolo izao, izay tafasaraka amin'ny Mpahary azy, dia ny fahafatesana miandry ao ambadiky ny fiainana tsirairay, vonona hamely amin'ny fotoana rehetra. Izany no "tambin'ny ota", sazy aloantsika noho ny fisarahana amin'llay Loharanon'aina tokana eto amin'izao tontolo rehetra izao, dia ny Mpahary. Noho izany, mitana anjara lehibe ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly ny maha-zava-misy ny fahafatesana, ary indrindra koa ny vahaolana eo anatrehan'izany, izay hita ao amin'i Jesosy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty.

Ny filazana voalohany ny amin'ny fahafatesana ao amin'ny Baiboly sy ny nitrangan'izany voalohany dia manazava tsara io lohahevitra lehibe ao amin'ny faminaniana io, ary manampy antsika hahatakatra ny maha-ratsy indrindra ny olan'ny fahotana, sy hahafantatra ny vahaolana omen'Andriamanitra eo anatrehan'izany.

Vakio ny Gen. 2:15-17, Gen. 4:8-15, 1 Kôr. 15:15-19, sy ny Apôk . 1:18. Inona no ambaran'ireo andininy ireo amintsika izay ahitana ny filazana voalohany ny amin'ny fahafatesana sy ny nitrangan'izany voalohany - momba ny antony mahatonga ny olona andairan'ny fahafatesana, ny fomba fijerin'Andriamanitra ny fahafatesana, ary ny vahaolan'Andriamanitra ho antsika?

Fitenin'ny olona matetika rehefa misy fahafatesana ny hoe: "fiainana daholo izany". Lainga anefa io. Ny fahafatesana dia mifanohitra amin'ny fiainana; fahafoanan'ny fiainana izany; tonga tsy nasaina ny fahafatesana, ary tsy natao ho fanandramana hiainantsika eto an-tany velively. Na manjary efa fahitantsika aza ny fahafatesana, dia mbola mampitaraina mafy ny fontsika ihany ny fihaonana aminy; toy ny tsapan'ny olombelona fa tsy ara-dalana izany. Maharary antsika mandrakariva ny fahafatesana. Misy tranga sasany amin'ny fahafatesana anefa toa mampalahelo kokoa noho ny hafa, toy ny fahafatesan'ny zaza. Antenaintsika ankapobeny fa ny ray aman-dreny no tokony ho faty alohan'ny zanany, ka nanjary nekentsika ho zavatra ara-dalàna eo amin'ny fiainana izany.

Tsy araka izay anantenana azy anefa ilay fahafatesana voalohany voarakitra ao amin'ny Soratra Masina. Nianjadian'ny fahoriana lehibe i Adama sy i Eva talohan'ny fahafatesan'izy ireo, rehefa maty i Abela zanany, izay olo-marina, novonoin'i Kaina rahalahiny, izay tsy marina. Fahafatesana tsy ara-drariny tokoa io fahafatesana io.

Saintsaino ny amin'i Jesôsy Ilay marina, izay novonoin'ny olo-meloka, tahaka an'i Abela. Misy fahafatesana tsy ara-drariny mihoatra atra noho ny fahafatesan'i Kristy ve? Inona ireo teboka hafa itovian'ny fahafatesan'i Abela amin'ny fahafatesan'i Kristy? Diniho ny fomba nahafatesan'i Abela; ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny antony ananan'i Jesôsy "ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita", sy izay omen'Andriamanitra antsika ao Aminy?

Raha tsy misy vahaolana ny fahafatesana, nahoana ny fiainantsika no manjary tsy misy dikany sy tsy mahasoa na amin'inona na amin'inona? Tsy manambara amintsika ve izany fa tokony ho velom-pisaorana an'i Jesôsy isika noho izay nataony ho antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal