Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY, FOTOTRA - ny fanontanian’i Isaka : "fa aiza kosa izay ondry (…)? "

Daty
Talata 08 April 2025

Ao amin'ilay tantara nilazana voalohany ny amin'ny fitiavana ihany, dia ao amin'ny Gen. 22, no ahitana voalohany koa ny hoe seh (teny hebreo nadika hoe: "ondry" na "zanak'ondry"). Hita mazava fa anisan'ny tandindona resahina matetika indrindra ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy ny "zanak'ondry", izay iantsoana an'i Jesôsy ao mihoatra ny in-20. Mitana anjara toerana lehibe ny Zanak'ondry ao amin'ny iray amin'ireo toe-javatra miezinezina indrindra ao amin'ny Apokalipsy dia ny fahitana nomena an'i Jaona momba ny seza fiandrianan Andriamanitra sy ny manodidina azy ao amin'ny toko faha-4 sy faha-5

Vakio ny Gen. 22:7,8; Eks. 12:3-13; ary ny Apôk . 5:5-10. Manampy antsika hahatakatra ny fampiasana ara-tandindona ny zanak'ondry ny tantaran'i Isaka izay saika natao sorona; amin'ny fomba ahoana? Inona no ifandraisan'io tantara io amin'izay hitan'i Jaona ao amin'ny Apôk. 5?

Amin'ny endrika fanontaniana no isehoan'ny filazana voalohany momba ny seh, dia ny fanontanian'i Isaka hoe: "fa aiza kosa izay ondry (...)?" - Gen. 22:7. Mahaliana fa valiana an-tsipiriany tokoa io fanontaniana io ao amin'ny Baiboly manontolo. Ireo boky 38 hafa ao amin'ny Testamenta Taloha dia mitondra tsikelikely ny mpamaky ho amin'ny valin'ny fanontanian'i Isaka miaraka amin'ny tsipiriany misimisy kokoa, manomboka amin'ireo fombafombam-pivavahana mandritra ny Paska ka hatramin'ny asa voalohany nataon'i Davida (mpiandry ondry), sy ny sisa. Feno faminaniana mikasika ny Mesia ny tantara manontolo, izay manambara mialoha ny valin'ny fanontanian'i Isaka. Avy eo, hita ao amin'ny Testamenta Vaovao ny valin'ilay fanontaniana rehefa niseho i Jesôsy , tonga nofo sy ra, nanao asa fanompoana teo anivon'ny vahoakany, ary farany nanolotra ny ainy teo amin'ny hazo fijaliana.

Jereo koa ny filazana voalohany ny amin'ny zanak'ondry ao amin'ny Filazantsaran'i Jaona, ao amin'ny Jao. 1:29-34. Toa valian'i Jaona Mpanao batisa manokana mihitsy ilay fanontanian'i Isaka, ary mifanentana indrindra amin'izany koa ny tontolon-kevitra ao. Mibebaka ny mpanota, ary atao batisa asitrika anaty rano, izay maneho ara-tandindona ny fahafatesan'ilay mpanota sy ny fiantombohan'ny fiainam-baovao. Ao anatin'io tontolon-kevitra io dia mipoitra i Jesosy Ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra, ao amin'ny Matio, ary nisokatra ny lanitra nanao filazana: "Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako." - Mat. 3:17. Mariho fa nisy feo avy any an-danitra koa, dia anjelin'Andriamanitra, nanolotra vahaolana ho an'i Abrahama sy i Isaka tao amin'ny Gen. 22:11-14.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal