Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY,FOTOTRA - mahatakatra ny fitiavan’Andriamanitra.

Daty
Alatsinainy 07 April 2025

Ny nandovantsika toetra mpanota dia anisan'ny midika fa misy fahasimbana ny fomba fijerintsika izao tontolo izao noho ny fironantsika ho amin'ny fitiavan-tena sy ny avonavona. Ny fomba fijerintsika voafetra no ahitantsika izao tontolo izao, fa tsy ny fomba fijerin'Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra (mazava loatra). Azo inoana fa ny fanehoana ny hevitry ny "fitiavana" no nodisoin'ny olombelona mpanota indrindra. Ny hevitry ny fitiavana voizina ao amin'ny kolontsain'ny besinimaro dia mirona ho amin'ny fanomezana fahafaham-po ny tena manokana fa tsy ny hafa. Tsy ahafahantsika mahatakatra ny hevitr'Andriamanitra momba izany io fomba fijery mifantoka amin'ny tena io.

Zava-dehibe ny mahatakatra ny toetry ny fitiavana mba hahatakarana ny faminaniana ara-Baiboly. Anisan'ny lohahevitra fototra ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy ny tsy fahafantarana tsara ny toetran'Andriamanitra. Toy izao rahateo no amaranan'i Ellen G. White ny bokiny "Hery Mifanandrina": "Voadio tanteraka ny tontolo rehetra. Miara-mitepo fifaliana sy firindrana ny voary manontolo. Avy amin'llay Mpamorona izao rehetra izao no mikoriana ny aina sy ny fahazavana ary ny fifaliana manerana ny fanjakana eny amin'ny habakabaka tsy misy fetra. Hatramin'ny 'atoma' kitika indrindra ka hatramin'izao tontolo izao lehibe indrindra, ny zavatra rehetra, na ny manan'aina na ny tsy manan'aína dia samy manambara amin'ny alalan'ny hakantony sy ny fifaliany safononoka fa Andriamanitra dia fitiavana." - HM, t. 706.

Vakio ny Gen. 22:1-13. Ao amin'ny Gen. 22:2 no ilazana voalohany ny amin'ny fitiavana. Inona no ampianarin'io tantara io antsika momba ny toetry ny fitiavan'Andriamanitra?

Indraindray, ankoatra ny fitadiavana ny filazana voalohany momba ny hevitra iray ao amin'ny Baiboly, dia mety hilaina koa ny mitady ny filazana voalohany izany hevitra izany ao amin'ny boky tsirairay ao amin'ny Baiboly - indrindra ao amin'ny Filazantsara. Ao amin'ny Mat. 3:17, Mar. 1:11, Lio. 3:22, ary Jao. 3:16 no ahitantsika ny filazana voalohany ny amin'ny "fitiavana" ao amin'ny Filazantsara tsirairay.

Ny filazana voalohany ny amin'ny "fitiavana" ao amin'ny Jaona (Jao. 3:16), ohatra, dia tena mahaliana: toa manondro ny tantaran'i Isaka teo ambonin'ny alitara izany. Nino an'Andriamanitra tokoa i Abrahama hany ka natoky Azy, ary nifidy ny hino fa mahay manangana ny zanany amin'ny maty Andriamanitra raha tanterahiny tokoa ilay sorona (Heb. 11:19). Naneho mialoha ny fitiavan'Andriamanitra ny taranak'olombelona izany. Tia antsika Izy, hany ka nomeny ny "Zanani-Lahy Tokana" (jereo ny Gen. 22:2,12,16) -ary avy eo, natsangany tamin'ny maty Izy. Dia toy izany no anambarana amintsika ilay karazana fitiavana, izay fitiavana mahafoy tena, itiavan'Andriamanitra antsika.

Amin'ny fomba ahoana no mety hanehoantsika amin'ny hafa io karazam-pitiavana manao sorona ny tena io, Izay itiavan' Andriamanitra antsika? Nahoana no tsy dia manan-danja loatra ho an'ny ankamaroantsika io karazam-pitiavana io?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal