Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY BOKIN'NY GENESISY,FOTOTRA - mahatakatra ny fitiavan’Andriamanitra.

Daty
Alatsinainy 07 April 2025

Ny nandovantsika toetra mpanota dia anisan'ny midika fa misy fahasimbana ny fomba fijerintsika izao tontolo izao noho ny fironantsika ho amin'ny fitiavan-tena sy ny avonavona. Ny fomba fijerintsika voafetra no ahitantsika izao tontolo izao, fa tsy ny fomba fijerin'Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra (mazava loatra). Azo inoana fa ny fanehoana ny hevitry ny "fitiavana" no nodisoin'ny olombelona mpanota indrindra. Ny hevitry ny fitiavana voizina ao amin'ny kolontsain'ny besinimaro dia mirona ho amin'ny fanomezana fahafaham-po ny tena manokana fa tsy ny hafa. Tsy ahafahantsika mahatakatra ny hevitr'Andriamanitra momba izany io fomba fijery mifantoka amin'ny tena io.

Zava-dehibe ny mahatakatra ny toetry ny fitiavana mba hahatakarana ny faminaniana ara-Baiboly. Anisan'ny lohahevitra fototra ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy ny tsy fahafantarana tsara ny toetran'Andriamanitra. Toy izao rahateo no amaranan'i Ellen G. White ny bokiny "Hery Mifanandrina": "Voadio tanteraka ny tontolo rehetra. Miara-mitepo fifaliana sy firindrana ny voary manontolo. Avy amin'llay Mpamorona izao rehetra izao no mikoriana ny aina sy ny fahazavana ary ny fifaliana manerana ny fanjakana eny amin'ny habakabaka tsy misy fetra. Hatramin'ny 'atoma' kitika indrindra ka hatramin'izao tontolo izao lehibe indrindra, ny zavatra rehetra, na ny manan'aina na ny tsy manan'aína dia samy manambara amin'ny alalan'ny hakantony sy ny fifaliany safononoka fa Andriamanitra dia fitiavana." - HM, t. 706.

Vakio ny Gen. 22:1-13. Ao amin'ny Gen. 22:2 no ilazana voalohany ny amin'ny fitiavana. Inona no ampianarin'io tantara io antsika momba ny toetry ny fitiavan'Andriamanitra?

Indraindray, ankoatra ny fitadiavana ny filazana voalohany momba ny hevitra iray ao amin'ny Baiboly, dia mety hilaina koa ny mitady ny filazana voalohany izany hevitra izany ao amin'ny boky tsirairay ao amin'ny Baiboly - indrindra ao amin'ny Filazantsara. Ao amin'ny Mat. 3:17, Mar. 1:11, Lio. 3:22, ary Jao. 3:16 no ahitantsika ny filazana voalohany ny amin'ny "fitiavana" ao amin'ny Filazantsara tsirairay.

Ny filazana voalohany ny amin'ny "fitiavana" ao amin'ny Jaona (Jao. 3:16), ohatra, dia tena mahaliana: toa manondro ny tantaran'i Isaka teo ambonin'ny alitara izany. Nino an'Andriamanitra tokoa i Abrahama hany ka natoky Azy, ary nifidy ny hino fa mahay manangana ny zanany amin'ny maty Andriamanitra raha tanterahiny tokoa ilay sorona (Heb. 11:19). Naneho mialoha ny fitiavan'Andriamanitra ny taranak'olombelona izany. Tia antsika Izy, hany ka nomeny ny "Zanani-Lahy Tokana" (jereo ny Gen. 22:2,12,16) -ary avy eo, natsangany tamin'ny maty Izy. Dia toy izany no anambarana amintsika ilay karazana fitiavana, izay fitiavana mahafoy tena, itiavan'Andriamanitra antsika.

Amin'ny fomba ahoana no mety hanehoantsika amin'ny hafa io karazam-pitiavana manao sorona ny tena io, Izay itiavan' Andriamanitra antsika? Nahoana no tsy dia manan-danja loatra ho an'ny ankamaroantsika io karazam-pitiavana io?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.
Sun 14 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.
Mon 15 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.
Tue 16 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Wed 17 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.
Thu 18 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.
Fri 19 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.
Sun 21 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.
Mon 22 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.
Tue 23 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.
Wed 24 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.
Thu 25 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.
Fri 26 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal