Vakio ny Mar. 1:2-5. Inona no tanjon'ny fanompoana nataon'i Jaona Mpanao Batisa?
Mampahafantatra antsika ny Filazantsaran'i Marka fa fahatanterahan'ny faminanian'i Isaia (Isa. 40:3) ny fahatongavan'i Jaona Mpanao Batisa. Nanamarika ny fiainan'i Jaona nanomboka tamin'ny fahazazany ka hatramin'ny fahalehibiazany ny fahatokiana amin'Andriamanitra. Nanahy ny ho very fahefana teo amin'ny olombelona i Satana rehefa nandre ny feon'i Jaona tany an'efitra (jereo ny IFM, t. 229). Naharihary tamin'ny fomba nampangovitra an'i Satana ny haratsiam-panahin'ireo izay nihaino an'i Jaona. Nahin'i Satana hiala tsy ho eo ambany vahohony intsony ny Isiraely. Imbetsaka no niezahany handresy lahatra ilay mpanao batisa mba hiala amin'ny fomba fiainany feno fahatokiana sy tsy hitoky amin'ny Mesia, saingy tsy nahomby izy.
Vakio ny Mat. 11:1-6. Ahoana no nanatanjahan'i Jesôsy ny finoan'i Jaona raha tao am-ponja ilay mpitory teny?
Tsy nahataona an'i Jesôsy hanota i Satana, ary nampisafoaka azy ny fahareseny tany an'efitra. Nanova paikady izy avy eo tamin'ny fampidirana am-ponja an'i Jaona, havan'i Jesôsy. Nandratra ny fon'i Jesôsy izany, na dia tsy nahataona Azy hanota aza i Satana. Izany no fomba nampiasain'i Satana hanakiviana an'i Jaona, sy hanomezana alahelo ny fon'ny Mpamonjy koa. Nefa nahazo teny fampaherezana avy tamin'i Jesôsy i Jaona. Ary na dia nampivarahontsana indrindra aza ny toerana nisy azy, ary azo antoka fa tsy takany ny antony mbola naha tao am-ponja azy nefa manana hery lehibe hanampy azy i Jesôsy, dia nitoetra ho mahatoky i Jaona, eny, na hatramin'ny fahafatesana aza.
Toy ireo mpaminany fahiny, isika koa dia antsoina hitory ny fibebahana sy ny finoana ary ny fahamarinan'i Kristy amin'ny fahafenoany (Apôk. 14:6-12). Mety hametraka fisalasalana ao anatintsika i Satana ny amin'ny iraka ampanaovin'Andriamanitra antsika, tahaka ny nataony tamin'i Jaona Mpanao Batisa. Tsy misy tokony hahakivy antsika raha tsaroantsika ny fitantanan'Andriamanitra ny fiainantsika, indrindra rehefa ao anatin'ny olana, tahaka ny nanjo an'i Jaona, izay nogadraina, avy eo novonoina noho ny nafitsoky ny vehivavy ratsy fanahy iray sy ny lehilahy iray kanosa. Na inona na inona mety hataon'ny olona amintsika, dia afaka manatona an'Andriamanitra amin'ny finoana isika, ary hamaly antsika Izy. Nanome toky Izy fa hanome hery antsika hanaovana ny sitrapony (Asa. 1:8). Eo anivon'izao tontolo mihamanalavitra ny fivavahana kristianina izao, dia zava-dehibe indrindra ny maha vavolombelona mahato kin'i Kristy antsika, na inona na inona toe-javatra iainantsika.
Efa niaina fanandramana tahaka an'i Jaona tao am-ponja ve ianao, ka tsy takatrao ny antony nitrangan'izany ratsy izany taminao? Ahoana ny fomba nihazonanao ny finoanao sy nitokianao hatrany tamin'Andriamanitra?