Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.

Daty
Alarobia 08 July 2026

Hoy i Paoly: "fa ny Jiosy mile famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena."- 1 Mg. 1:22. Tsy ny hazo fijaliana (ny fanomboana an'Andriamanitra, ilay Mesia, tamin'ny hazo fijaliana) no famantarana nandrasan'ireo Jiosy. Tsy izany koa ny karazam-pahendrena nirin'ireo Grika. Nifanohitra tamin'izay nandrasan'ny rehetra izany.

Raha ny marina, ny fijerena ny fihetsiky ny mpianatra raha nandre momba ny fanomboana an'i Jesôsy amin'ny hazo fijaliana (jereo ny Mar. 8:31, 32; Mar. 9:30-32 ary ny Mar. 10:32-34) dia ampy hahitana fa hafahafa no sady maharikoriko ho an'ny firenena iray manontolo izany, indrindra ho an'ny Jiosy. Efa voalazantsika tany aloha fa niandrandra ny Mesia handresy ny Rômanina ireo Jiosy; tsy izany anefa no nitranga, tsy dia araka izay hevitry ny hoe "mandresy" araka ny fandraisan'izao tontolo izao azy izany.

Nandritra ny taonjato maro, dia marika maneho ny finoana ny hazo fijaliana, ho an'ny Kristianina. Sarotra ho an'ny Kristianina amin'izao taonjato faha-21 izao ny mahatakatra fa fahadalana tokoa no nandraisan'ireo olona tamin'ny taonjato voalohany ny fiheverana fa Andriamanitra no hohomboana amin'ny hazo fijaliana.

Kanefa, noho ny maha-hafatra manaitra izany indrindra (tamin'izany andro izany) no tokony hisaintsainantsika lalina momba azy. Ny sarin'ny Mesia iray voahombo amin'ny hazo fijaliana no maneho mazava amin'izao rehetra izao ny haben'ny fahavononan'Andriamanitra hanatanteraka ny drafi-panavotana. Raha isika izay mpanota eto an-tany aza talanjona manoloana ny hazo fijaliana - ny fieritreretana fa maty teo amin'ny hazo fijaliana ny Tompo alao sary an-tsaina ny amin'ireo voary tsy nanota izay nahalala an'i Jesôsy sy niankohoka Taminy tany an-danitra.

Vakio ny Asa. 13:16-47 (indrindra ny and. 26, 38 ary 47). Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo antsika momba ny hevitry ny hazo fijaliana?

Ambaran'i Paoly fa i Kristy no naniraka azy hitory ny filazantsara koa dia nitory ny hafatra momba ny Mesia nohomboana tamin'ny hazo fijaliana izy (1 Kôr. 1:23). Nahatoky tamin'ny iraka nampanaovin'i Kristy azy ity apôstôly ity. Raha nitory ny filazantsara izy, dia tsy nanao "teny sy fahendrena marevaka"- 1 Kôr-. 2:1, fa nifantoka tamin'i Jesosy Kristy irery ihany, "indrindra fa izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana."- 1 Kôr. 2:2. Ny teniny sy ny hafatra nentiny dia "tsy tamin'ny teny fahendrena mahataona, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny hery"-1 Kôr. 2:4, satria ny "fahendren’ny oIona" dia mifanohitra miharihary amin'ny "herin'Andriamanitra."- 2 Kôr. 2:5.

Zavatra tsy nandrasan'ny Jiosy na ny Grika mihitsy ny hanomboana ny Mesia. Inona no ambaran'izany momba ny fomba fiasan'Andriamanitra izay tsy araka ny andrasantsika mandrakariva? Nahoana no zava-dehibe ny hahatakarantsika izany hevitra izany, indrindra rehefa tsy araka izay nandrandraintsika ny toe-java-miseho? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal