Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: ANKASITRAHAN'ANDRIAMANITRA - Miravoravo amin’ny fifaliana.

Daty
Alatsinainy 13 January 2025

Tsy hay tombanana ny hasarobidintsika tsirairay eo imason’Andriamanitra, na dia sarotra amintsika aza ny mahazo an-tsaina izany. Izany no mahatonga Azy ho ravoravo ny amin'ny fanahy voavonjy, na iray monja aza.

Vakio ny Zef. 3:17. Ahoana no hanazavan'io andininy io ilay fanoharana momba ny zanaka adala?

Manasongadina ny haravoan'Andriamanitra ny amin'ireo olona navotany ny Zef. 3:17. Saika voangona ao amin'io andininy tokana io avokoa ny teny hebreo rehetra maneho hafaliana sy haravoana, manoritsoritra ny fifalian'Andriamanitra ny amin'ny olony izay navotany. Toa saika tsy ampy mihitsy aza ny teny hanambarana ny halehiben'ny fifalian'Andriamanitra amin'izany andro izany.

Mariho koa fa araka io andininy io dia "ao amin'ny olony" no misy an' Andriamanitra. Ny famitranam-pihavanana vokatry ny fifandraisam-pitiavana dia miaraka amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Eto dia "ao" amin'ny olony Andriamanitra, tahak tahaka ilay ray nahatazana ny zanany raha mbola lavitra, ka nihazakazaka nitsena azy.

Ahitana sary toy izany koa ao amin'ny Isa. 62:4, izay misy fanoharana momba ny fanambadiana. Araka io andininy io, ny vahoakan'Andriamanitra dia hantsoina hoe "llay sitrako", ary ny taniny hatao hoe "Vady ampakarina". Nahoana? Araka ny voalaza dia satria "sitrak'i Jehôvah hianao, ary ny taninao hampanambadina". Amin'ny andro hampodin'Andriamanitra amin'ny laoniny ny zavatra rehetra no faratampon'ny fifaliany, rehefa handray ny olony sy hiravoravo amintsika Izy, tahaka ilay ray faly tamin'ny niverenan'ilay zanany nania.

Vakio ny Efes. 5:25-28. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny karazam-pitiavana tokony hananantsika sy asaina asehontsika?

Miantso ny lehilahy ho tia ny vadiny "tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy", sy ho tia azy "tahaka ny tenany", ireo andininy ireo. Tsy manasongadina fotsiny ny fitiavana tsy tia tena sy mahafoy tena tokony hananan'ny lehilahy amin'ny vadiny io andalan-tSoratra Masina io, fa mampiseho koa ny fitiavan'i Kristy ny olony (ny fiangonana) tahaka ny Tenany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (12)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal