Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Jao. 2:15-17; Lio. 18:9-14; 1 Jao. 1:9; Heb. 11:24-26; Lio. 22:24-27; Fil. 2:3-8.
Tsianjery: "Fa izay rehetra manandra-tena no haetry: ary izay manetry tena no hasandratra."- Lio. 14:11
Isika rehetra dia samy efa nahafantatra olona be avonavona, izay mihevi-tena ho tsy mety diso mihitsy. Misy koa angamba ny olona fantatrao izay te hanana fifehezana mandrakariva, tsy mba misokatra handray toromarika na fanamarihana mampandroso. Mety misy koa ny olona izay tia manohitra ny hafa mandrakariva na fatra-panambany ny hafa. Mety misy olona tonga ao an-tsaintsika avy hatrany, kanefa izao ny fanontaniana tsara hapetraka: Ahoana ny amintsika tsirairay avy? Mamitaka ny tenantsika isika raha toa ka manondro molotra ny hafa ary milaza fa tsy misy avonavona eo amin'ny fiainantsika.
Samy efa nitolona tamin'ny avonavona isika rehetra. Samy efa nandalo tamin'ny fotoana iray izay naniriantsika ny hiseho, hiteny, hanao asa tsaratsara kokoa noho ireo manodidina antsika, noho ny finoantsika fa tsara kokoa noho izy isika. amin'ny lafiny sasany farafahakeliny. Indray andro dia nisy olona nilaza fa ny avonavona dia mipoitra avy amin'ny faniriana haneho fa manan-danja ny fiainantsika. Misy zavatra tokony ho fantatsika sahady anefa: manan-danja ny fiainantsika satria noharian Andriamanitra isika ary koa nanolotra ny ainy ho antsika i Kristy
Mandritra ity herinandro ity isika dia handinika ny fiantraikan'ny avonavonaeo amin'ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy amin'ny hafa. Hojerentsika amin'izany ny fampianaran'ny Baiboly mikasika ny fanetren-tena eo anatrehan'ny hafa, ary indrindra indrindra eo anatrehan Andriamanitra.
*Famerenana ny lesona ny sabata 18 Aprily.