Nirentirenty nanerana ireo efitrano lehiben'ny lapan'ı Egypta ny harena sy ny fahafinaretana ary ny fiadanana. "Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny teniny sy ny asany izy. Asa. 7:22. Nivelatra teo anoloany ny fiainana feno fahefana sy harembe ary laza, kanefa i Mosesy nifidy zavatra hafa tanteraka noho izany. "Tsy nisy nitovy taminy tamin'ny fahaizana tantara sy tononkira sy filozófia ary ny maha-mpitari-tafika sy mpanao lalána azy. Kanefa na nivelatra teo anatrehany toy izany aza ny voninahitr'izao tontolo izao, dia nolaviny tamin-kerim-po ny hoavy mamirapiratra hahazoan-karena sy fahalehibeazana teto an-tany, 'nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana'izy." - PM, tt. 232, 233.
Inona no ambaran'ny Heb. 11:24-26 amintsika momba ny antony nifidianan'i Mosesy lalan-kafa sy nanetreny tena?
Niavaka tokoa ny fanetren-tenan'i Mosesy taty aoriana, raha jerena ny maha lehilahy mahery azy sy ny toerana nisy azy taloha. Veriny noho ny fihetsika nitory firehetam-po sy feno fahotana anefa ny fitokian-tenany sy ny fiheveran-tenany ho zavatra. Ny tendrombohitra no rindrin'ny efitrano fianarany ary niala ny avonavony nandritra ny efapolo taona nampianaran Andriamanitra azy izay nilainy ho fantatra mba hitarihana ny firenena iray hiala amin'ny fanandevozana ho any amin'ny Tany Nampanantenaina. Tsy nisy lanjany, raha oharina amin'ny mandrakizay, ny fahefana sy ny harembe mety ho nananany raha nitoetra tany Egypta izy. Niantso an'i Mosesy tamin'ny fornba manokana Andriamanitra, ary nanoina izy.
Azo heverina fa ny teboka manan-danja indrindra amin'ity lohahevitra ity dia hita ao amin'ny Nom. 12:3: "Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra aty ambonin'ny fany Fantatra tamin'ny fanetren-tenany sy ny fahalemem-panahiny Mosesy, anankiray tamin'ireo patriarika lehiben'ny Balboly. Alao an-tsaina ny ho fahasamihatan'ny fiainany sy ny fomba fitarihany raha toa ny avonavona ka nisovoka tao amin'ireo toe-java-dehibe tsirairay niseho teo amin'ny fiainany: ny roimemy nirehitra, ireo loza tany Egypta, ny fiampitana ny Ranomasina Mena, ny mana nilatsaka avy any an-danitra, ny firesahana mivantana tamin'Andriamanitra. ny fandraisana ny Didy folo ary ny fandrenesana an'Andriamanitra niteny taminy taorian'ny nikapohany ny vatolampy.
Saintsaino ny fiainanao hatrizay. Raha misy olona hilazalaza ny momba anao, moa ve anisan'ny matoanteny hampiasainy ny hoe "manetry tena" na "malemy fanahy"? Eny sa tsia, nahoana? Raha ny marina dia tsy haintsika amin'ny herintsika samirery ny hanetry tena. Ampaham-piainantsika mantsy ny fahotana ka izany no ilantsika be dia be an'i Jesôsy. Diniho ny tonon'ny hira faha-456 (and. 2, 3, 4) ao amin'ny fihirana Advantista, ary ampitahao amin'ny fiainan'i Mosesy sy ny anao izany.