Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Iza moa Jehôvah?

Daty
Alahady 13 July 2025

IZA MOA JEHÔVAH ?

Araka ny baikon'i Jehôvah , dia nankany amin'i Farao i Mosesy, ho fanombohana ny asa nampiandraiketina azy, dia ny "hitondra ny Zanak'lsiraely oloko hivoaka avy any Egypta." - Eks. 3:10.

Inona no navalin'i Farao ny fitakian'Andriamanitra hoe: "Alefaso ny oloko" aereo ny Eks. 5:1,2), ary inona ny valinteniny?"

 Iza moa Jehôvah ?" hoy i Farao, tsy noho ny faniriana te hahafantatra an'Andriamanitra izany fanontaniana izany fa fihaikana na koa fandavana io Andriamanitra io mihitsy aza, izay ambarany fa tsy fantany. "Tsy fantatro izay Jehôvah " hoy fly filazany toa feno fireharehana.

Olona firifiry teo amin’ny tantara moa no efa nanonona teny tahaka izany? Mampalahelo tokoa izany, satria i Jesôsy mihitsy no nanambara hoe: "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesôsy Kristy, izay efa nirahinao." - Jao. 17:3.

Tandindon'ny fahefana iray izay manda ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny Fahefany i Egypta izay nanana ny Farao ho mpanjakany. Fanjakana nanohitra an'Andriamanitra sy ny Teniny ary ny vahoakany izany.

Mampiseho babe kokoa izany fikomiana amin'ilay Andriamanitra velona izany ny fanambarana manaraka nataon'i Farao hoe: "tsy halefako ny lsiraely." Mahatonga an'i Egypta ho tandindon'ny fandavana an'Andriamanitra no sady rafitra iray miady Aminy izany.

Tsy mahagaga ny hamaroan'ny olona nanana io toe-tsaina io an'arivo taona aty aoriana, nandritra ny Revôlisiona frantsay (jereo koa ny Isa. 30:1-3 sy ny Apôk. 11:8). Nihevitra ny tenany ho andriamanitra na zanaky ny andriamanitra anankiray i Farao - manondro ankapobeny ny fitokian'ny olona amin'ny heriny lehibe sy ny tanjany ary ny fahaizany izany.

 "Tamin'ireo firenena rehetra nasehon'ny tantara voarakitry ny Baiboly, dia i Egypta no sahy nanda ny fisian'Andriamanitra velona sy nanohitra ny baikony. Tsy nisy mihitsy mpanjaka sahy nikomy nivantana sy nanangan-tsandry hanohitra ny fahefan'ny lanitra tahaka ny nataon'ny mpanjakan'i Egypta. Rehefa nentin'i Mosesy teo aminy tamin'ny anaran'i Jehovah ny hafatra, dia novalian'i Farao tamin'avona hoe: 'iza moa Jehôvah , no hekeko teny handefasako ny lsiraely? Tsy fantatro izay Jehôvah , ka tsy halefako ny lsiraely.' - Eks. 5:2. Tsy finoana ny fisian'Andriamanitra izany, ary ny firenena izay asehon'i Egypta dia hamoaka feo mitoky amin'ny fandavana ny fitakian'llay Andriamanitra velona ka hampiseho toe-tsaina tsy mino sady mihantsy toy izany." - HM, t. 279.

lnona no havalinao raha misy olona manontany anao hoe: "fantatrao ve Jehôvah ?" Raha eny no havalinao, inona no holazainao momba Azy, ary inona no anton'izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal