Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 16 January 2026

Toa nikarantsana tao an-tsofiny, avy teo amin'ny toerana fanapahan-doha, syavy taoan-tranomaizina, avy teo amin'ny kodiarana fampijaliana, avy tany an-dava-tany sy avy tany an-dava-bato, ny antsom-pandreseniny maritiora. Reny ny Kristianina manambara amim-pahamendrehana sy amin-kasahiana ny finoany na dia nampijaliana sy nampahorina, sy nafoy aza, ka sahy nilaza hoe: 'Fantatro Izay inoako'. lreny maritiora ireny, izay namoy ny ainy, dia manambara eo anatrehan'izao tontolo izao fa afaka hamonjy azy ny Tompo izay nametrahany ny fitokisany"— VM, t. 450.

"Tsy mbola nisy fisaratsarahana lehibe toy ny amin'izao andro ankehitriny izao teo amin'ny fivavahana kristianina. Tany am-boalohany aza dia nilaina ireo fanomezam-pahasoavana [ny apostoly, ny mpaminany, ny evanjelisitra, ny pasitora, ary ny mpampianatra (Efes. 4:11-13)] mba hitehirizana ny fiangonana ao anatin'ny firaisana, mainka fa ankehitriny, izay tena ilantsika ny famerenana amin'ny laoniny ny firaisana! Ary ny firaisan'ny fiangonana amin'ny andro farany no zava-kendren'Andriamanitra, izay hita mazava ao amin'ny faminaniana. Omena toky isika fa hahita mazava tsara ny mason'ny mpitily, rehefa mampody izay nonina tao Ziona i Jehôvah (Isa. 52:8). Ary koa, amin'ny andro farany, ny hendry no hahafantatra (Dan. 12:10). Rehefa tanteraka izany, dia ho tonga amin'ny firaisan'ny finoana ireo rehetra isain'Andriamanitra ho hendry; satria ireo izay rnahafantatra sy mahatakatra marina dia tsy maintsy hitovy ny fahatakarany. (...) Raha mandinika tsara isika dia miharihary fa mbola ho avy izany toetry ny fiangonana tonga lafatra voambara mialoha izany; noho izany, ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia tsy mbola nahatratra ny tanjony." R.F. Cottrell, "Introduction," ao amin'ny Early Writings, t. 140.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra 
1. Araka ny voalazarfi R.F. Cottrell etsy ambony, inona no ilaina mba hiasan'ny Fanahy Masina hahatonga firaisana eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra ankehitriny? Nahoana no zava-dehibe ny fampiharana ireo torohevitra avy amin'ny fanomezam-pahasoavan'ny faminaniana, mba hisian'ny firaisan.ny fiangonana?

2. Ahoana no hanazavanao ny fampianaran'ny Baiboly momba ny fahafatesaria amin'ny namanao iray izay mino fa efa "miaraka amin'i Kristy" any an-danitra ankehitriny i Paoly sy ireo Kristianina hafa efa maty?

3. Ahoana no tokony ho fahatakarantsika ny maha zava-misy mahatsiravina ny fijaliana eto amin'izao tontolo izao? Nahoana no `manampy antsika hahatakatra izany rehetra izany ny lohahevitra momba ny fifanandrinana lehibe? Nahoana anefa, amin'ny farany, no tsy maintsy mifantoka amin'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana isika, izay fanehoana feno indrindra ny fitiavan'ny Ray, ary tsy maintsy mianatra ny matoky Azy na dia amin'ny fotoana sarotra indrindra aza? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal