Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.

Daty
Alahady 11 January 2026

 Vakio ny Fil. 1:19,20. Inona no antenain'i Paoly ho vokatry ny fahoriana iaretany? Inona no heveriny ho manan-danja kokoa noho ny hoe afaka madiodio eo anatrehan'ny fitsarana eto an-tany?

Na tsy jiolahy aza i Paoly, dia tsy io no fotoana voalohany nampidirana azy an-tranomaizina, ary efa zatra ny fanenjehana izy. Notantarainy an-tsipiriany tamin'ny Korintianina ny fahoriana natrehiny tamin'izany fotoana izany: "amin'ny trano-maizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be eta izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika. lndimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray afina no nitoetra teo amin'ny lalina, nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanana aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho, tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan-aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana." - 2 Kor. 11:23-27.

Saingy mba tsy hiheverana fa ireo fahoriana ireo no nibahana tao an-tsainy, dia nampian'i Paoly avy hatrany hoe: "Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan-andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra." 2 Kor. 11:28.

Vakio ny 1 Kor. 4:14-16; 1 Tes. 2:10,11; Gal. 4:19; ary ny Filem. 10. Inona ny fifandraisana ananan'i Paoly amin'ireo fiangonana naoriny sy ireo olona babony ho an'i Kristy?

Tahaka an'i Jesôsy , izay nahafoy ny zavatra rehetra mba hamonjena antsika, dia vonona ny "handany sy holanina" i Paoly ho an'ny namany mpino (2 Kor. 12:15). Saingy tsy araka ny anantenana azy, arakaraka ny itovian'ny asan'ny olona iray amin'ny asan'i Jesosy no mampihena ny fitiavana sy ny fankasitrahan'ny sasany izany olona izany. "Eny, izay rehetra to-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina" - 2 Tim. 3:12. Inoana anefa fa ny Kristianina mahatoky no fitaovana mahery vaika indrindra hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy hanambarana ny fahamarinan'ny filazantsara (ampitahao amin'ny Fil. 1:7). "Toy ny toriteny tsy nisy fahatapahany ny faharetana sy ny herimpo nasehon'i Paoly nandritra ny namatorana az-y tsy an-drariny sady ela dia ela, toy izany koa ny firedaredan'ny finoany." — vM, t. 404.

Diniho ny fomba fiainanao sy ny tomba fifandraisanao amin'ny olona, indrindra fa amin'ireo izay tsy mitondra anao tsara. Karazana vavolombelon'i Jesôsy manao ahoana no fahitan'ny olona anao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal