Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."

Daty
Alarobia 14 January 2026

Lohahevitra iray manan-danja no nifantohan'ny vavaka farany nataon'i Jesôsy ho an'ny mpianany: ny firaisana. Nifantoka tany ankoatra ny hazo fijaliana ny fijerin'i Jesosy, dia ny firaisany indray amin'ny Rainy sy amintsika koa: "Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy." Jao. 17:24. Nivavaka i Jesôsy mba hitehirizan'ny Ray ireo zanany: "mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika" – Jao. 17:11. Nasongadin'i Jesôsy koa ny voka-dratsy ateraky ny tsy firaisana — manjary anton'ny tsy finoan'ny maro izany. Intelo, ao anatin'io vavaka fohy io, no nanamafisan'i Jesosy ny firaisantsika Aminy sy amin'ny Ray: mba "hinoan'izao tontolo izao"ary mba "ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy."–Jao. 17:21,23.

Vakio ny Fil. 1:27 ary ampitahao amin'ny Jao. 17:17-19. Araka ny tenin'i Jesôsy sy i Paoly, inona no ilaina indrindra mba hisian'ny firaisana ao amin'ny fiangonana?

Ny teny grika ao amin'ny Fit. 1:27 nadika hoe "aoka ny fitondrantenanareo ho miendrika" dia patiteuornai, izay midika hoe "miaina toy ny olom-pirenena" — tsy olom-pirenen'ny fanjakana eto an-tany fa olom•pirenena ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Manoritsoritra tsara ny atao hoe zanaky ny Ray any an-danitra sy vahoaky ny fanjakany ny toriteny nataon'i Jesosy teo an-tendrombohitra: olona malahelo am-panahy, malemy fanahy, noana sy mangetaheta ny fahamarinana, miantra, madio am-po, mpampihavana, mpamela heloka, tia ny fahavalony, misaotra izay manozona azy, manao soa amin'izay mankahala azy. Raha fintinina dia ny manao "ny marina sy ho tia famindrampo ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena." - Mika 6:8.

Sarotra ny ho tezitra amin'ny olona toy izany, sa ahoana hoy ianao? Indraindray anefa isika tsy faly amin'ny olona izay toa tsara «Ioatra». Mety halaim-panahy aza isika hanambany azy na hitsingoloka ny fahalemeny mba hanaporofoana fa tsy tsara araka ny fahitana azy izy ireo, mba hahatsapantsika ny tenantsika ho tsara kokoa. Fa nahoana no tsy izay hahatonga antsika ho be fitiavana, ho feno fahalalahan-tanana, ho feno famindram-po, ary ho feno fanetren-tena kokoa no imasoantsika? Miresaka momba ireo izay "tia izao tontolo izao sy ny tombontsoany mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra sy ny fahamarinana" i Ellen G. White. — TFC, b. 5, t. 277.

Matetika ny fisaraham-bazana ao amin'ny fiangonana dia vokatry ny avonavona. "Rehefa nolalaina ny avonavona sy ny fanirian-daza eo amin'izao tontolo izao, dia niala ny fanahin'i Kristy, ary tonga ny fifandrafiana, ny adilahy, ary ny fisaraham-bazana, izay nampikorontana sy nandemy ny fiangonana." — TFC, b. 5, tt. 240,241.

Zava-dehibe tokoa ny hianarantsika tsirairay maneho fanetren-tena sy fahamoram-panahy tahaka izay nasehon'i Jesôsy ho ohatra ho antsika! Ho hafa tanteraka ny fiangonantsika raha izany, sa ahoana ny hevitrao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal