Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA - Ilay Teny tonga nofo

Daty
Alatsinainy 14 October 2024

Vakio ny Jao. 1:1-3,14. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo fa nataon'i Jesôsy, Ilay Andriamanitra?

Nahoana izany no manan-danja indrindra amin'izay fahamarinana fantatsika?

Tsy ny anarana "Jesôsy" na koa ny maha-Mesia na Kristy Azy no anombohan'i Jaona ny filazantsarany, fa ny voambolana hoe "logos".   Maro no nampiasa ny teny hoe "logos" tamin'ny fotoana nanoratan'i Jaona, mba hanondroana ny rafitra feno fahendrena iorenan'izao tontolo rehetra izao, na koa hoenti-milaza mihitsy ny lojika sy ny fisian'ny fahendrena. )

Ankoatra izany, dia nozarain'ny fampianaran'i Platon (filôzôfa fahiny izay nanana hery miasa mahataona) ho roa ny tontolo. Any an-danitra ary tsy manam-piovana ny tontolo iray, izay isian'ny fahalavorariana tsy misy kianina. Ny anankiray hafa kosa dia eto - mety simba izany, miovaova, ary fanehoana tsy tonga lafatra an'ilay tontolo lavorary any ambony izay heverina fa misy azy (tsy namaly io fanontaniana io mihitsy i Platon). Ny filozofa sasany indray dia manondro ny logos ho tontolo iray tsy hita maso izay manelanelana ny zavatra mandrakizay amin'ny mety simba sy an'ny tany.

Samy hafa tanteraka amin'izany kosa ny fampiasan'i Jaona io voambolana logos io. Ambarany fa tsy zavatra tsy hita maso izay mihevaheva eo anelanelan'ny lanitra sy ny tany ny fahamarinana, ny logos. Ny logos dia olona: Jesôsy Kristy izay tonga nofo ary nonina tamintsika (Jao. 1:14).

Ho an'i Jaona, ny logos dia ny Tenin'Andriamanitra. Ary ny manan-danja indrindra, dia ny niresahan'Andriamanitra; izany hoe, ny nanehoany ny Tenany tamin'ny taranak'olombelona tamin'ny fomba mivantana indrindra: nonina teo amintsika Andriamanitra. Ny logos ao amin'ny filazantsaran'i Jaona dia maneho an'ilay Andriamanitra mandrakizay, izay mamakivaky ny fotoana sy ny erana, Ilay miteny sy miasa ary mifandray amin'ny olombelona amin'ny fomba manokana. Tonga olombelona Ilay Andriamanitra mandrakizay, tonga anisantsika.

Ambaran'ilay Apôstôly ao amin'ny Jao. 1:14 fa "tonga nofo ka nonina tamintsika" ny logos. Ny teny grika fototra izay nadika hoe "nonina" dia midika hoe "manorina trano-lay." Ny Eks. 25:8 no resahin'i Jaona ankolaka amin'izany, izay nilazan'Andriamanitra ny hanorenan'ny lsiraelita fitoerana masina, miendrika trano-lay, mba hitoerany eo amin’izy ireo. Tahaka izany koa, i Jesôsy ilay Zanak'Andriamanitra dia nandray ny maha-olona ka tonga nofo ary nanarona ny voninahiny mba hahafahan'ny olona manatona Azy.

Saintsaino ny fiantraikan'izay nosoratan'i Jaona eto. Andriamanitra ilay Mpamorona mihitsy no tonga olona, anankiray mitovy amintsika, ary nonina teto amintsika. (Tsy mbola noresahintsika akory aza ny nahafatesany ho antsika!) Inona no ambaran'izany momba ny fitiavan'Andriamanitra ny taranak'olombelona? Nahoana isika no tokony hahazo fampaherezana lehibe avy amin'izany fahamarinana mahatalanjona izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal