Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA - Ilay Teny tonga nofo

Daty
Alatsinainy 14 October 2024

Vakio ny Jao. 1:1-3,14. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo fa nataon'i Jesôsy, Ilay Andriamanitra?

Nahoana izany no manan-danja indrindra amin'izay fahamarinana fantatsika?

Tsy ny anarana "Jesôsy" na koa ny maha-Mesia na Kristy Azy no anombohan'i Jaona ny filazantsarany, fa ny voambolana hoe "logos".   Maro no nampiasa ny teny hoe "logos" tamin'ny fotoana nanoratan'i Jaona, mba hanondroana ny rafitra feno fahendrena iorenan'izao tontolo rehetra izao, na koa hoenti-milaza mihitsy ny lojika sy ny fisian'ny fahendrena. )

Ankoatra izany, dia nozarain'ny fampianaran'i Platon (filôzôfa fahiny izay nanana hery miasa mahataona) ho roa ny tontolo. Any an-danitra ary tsy manam-piovana ny tontolo iray, izay isian'ny fahalavorariana tsy misy kianina. Ny anankiray hafa kosa dia eto - mety simba izany, miovaova, ary fanehoana tsy tonga lafatra an'ilay tontolo lavorary any ambony izay heverina fa misy azy (tsy namaly io fanontaniana io mihitsy i Platon). Ny filozofa sasany indray dia manondro ny logos ho tontolo iray tsy hita maso izay manelanelana ny zavatra mandrakizay amin'ny mety simba sy an'ny tany.

Samy hafa tanteraka amin'izany kosa ny fampiasan'i Jaona io voambolana logos io. Ambarany fa tsy zavatra tsy hita maso izay mihevaheva eo anelanelan'ny lanitra sy ny tany ny fahamarinana, ny logos. Ny logos dia olona: Jesôsy Kristy izay tonga nofo ary nonina tamintsika (Jao. 1:14).

Ho an'i Jaona, ny logos dia ny Tenin'Andriamanitra. Ary ny manan-danja indrindra, dia ny niresahan'Andriamanitra; izany hoe, ny nanehoany ny Tenany tamin'ny taranak'olombelona tamin'ny fomba mivantana indrindra: nonina teo amintsika Andriamanitra. Ny logos ao amin'ny filazantsaran'i Jaona dia maneho an'ilay Andriamanitra mandrakizay, izay mamakivaky ny fotoana sy ny erana, Ilay miteny sy miasa ary mifandray amin'ny olombelona amin'ny fomba manokana. Tonga olombelona Ilay Andriamanitra mandrakizay, tonga anisantsika.

Ambaran'ilay Apôstôly ao amin'ny Jao. 1:14 fa "tonga nofo ka nonina tamintsika" ny logos. Ny teny grika fototra izay nadika hoe "nonina" dia midika hoe "manorina trano-lay." Ny Eks. 25:8 no resahin'i Jaona ankolaka amin'izany, izay nilazan'Andriamanitra ny hanorenan'ny lsiraelita fitoerana masina, miendrika trano-lay, mba hitoerany eo amin’izy ireo. Tahaka izany koa, i Jesôsy ilay Zanak'Andriamanitra dia nandray ny maha-olona ka tonga nofo ary nanarona ny voninahiny mba hahafahan'ny olona manatona Azy.

Saintsaino ny fiantraikan'izay nosoratan'i Jaona eto. Andriamanitra ilay Mpamorona mihitsy no tonga olona, anankiray mitovy amintsika, ary nonina teto amintsika. (Tsy mbola noresahintsika akory aza ny nahafatesany ho antsika!) Inona no ambaran'izany momba ny fitiavan'Andriamanitra ny taranak'olombelona? Nahoana isika no tokony hahazo fampaherezana lehibe avy amin'izany fahamarinana mahatalanjona izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal