Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA - Lohahevitra miverina indray momba ny voninahitra

Daty
Alakamisy 17 October 2024

Vakio ny Jao. 17:1-5. lnona no tian'i Jesôsy hambara raha nilaza Izy hoe: "Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao"?

Nijery ny zava-niseho teto an-tany araka ny filazantsaran'i Jaona ny lesona omaly, izay nitantara ny fifandonana sy ny fifandraisana teo amin'ny olona; nanodidina ny mombamomba an'i Jesôsy sy ny zavatra nataony izany. Ny lesona anio kosa dia hifantoka amin'ny tantara sy ny lohahevitra mahafaoka ny lanitra, izay hita ao amin'ny filazantsaran'i Jaona hatrany. 

Izany lohahevitra mahafaoka ny lanitra izany no anombohan'i Jaona ny sasinteniny. Aseho amin'ny maha-Zanak'Andriamanitra Azy i Jesôsy, Mpamorona an'izao rehetra izao. Averina indray fa ny zavatra rehetra izay tsy ary teo aloha kanefa misy ankehitriny dia nisy tamin'ny alalan'i Jesôsy. "lzy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza." - Jao. 1:3. Tohizan'i Jaona izany amin'ny fanambarana momba ny voninahitr'i Jesôsy tamin'ny nahatongavany ho nofo (Jao. 1:14). Mampiasa ny teny hoe "" (doxsa, famirapiratana, haja) i Jaona, ary koa ny hoe "manome voninahitra" (doxsazd, midera, manaja, manandratra) mba hiresahana momba ny fandraisana haja avy amin'olombelona sy ny fandraisana haja na voninahitra avy amin'Andriamanitra.

Ny hevitra mahakasika ny fanomezam-boninahitra an'i Jesôsy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona dia mifandraika amin'ny hevitra mahakasika ny Fotoany, na ny fotoana hahafatesany (ampitahao amin'ny Jao. 2:4; Jao. 7:30; Jao. 8:20; Jao. 12:23-27; Jao. 13:1; Jao. 16:32; Jao. 17:1). Ny hazo fijaliana no fotoana isehoan'ny voninahiny.

Ahitana fifanoheran-kevitra ihany izany satria ny fanomboana tamin'ny hazo fijaliana no fomba famonoana nahamenatra sy nanala baraka indrindra teo amin'ny tontolo romanina fahiny. Izany fifanoheran-kevitra mahagaga izany, Andriamanitra teo amin'ny hazo fijaliana, no maneho ny fifandrohizan'ny tantaran'ny olombelona sy ny an'ny lanitra.

Tao amin'ny maha-olona Azy dia maty tao anatin'ny hirifiry i Jesôsy, olo-meloka natao tsinontsinona izay nihiaka toy izao tao anatin'ny fahalemeny: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" Aseho manokana ao amin'ny filazantsaran'i Matio sy Marka izany ampahany maizina sy mifandraika amin'ny maha-olona ny hazo fijaliana izany (Mat. 27:46; Mar. 15:34).

Ao amin'ny filazantsaran'i Lioka sy Jaona kosa no anehoana amin'ny fomba manokana ny voninahitra mifandraika amin'ny hazo fijaliana (Lio. 23:32-47; Jao. 19:25-30). Toeran'ny famonjena sy ny famindrampo ny hazo fijaliana; teo no nanoloran'ny Zanak'Andriamanitra ny Tenany tamin'ny Rainy.

Toa mifanohitra izany toe-javatra izany: aseho eo amin'ny fahafaham-baraka lehibe indrindra niainan'Andriamanitra (ny nitondrany ny fahotan'izao tontolo izao teo amin'ny Tenany) ny Voninahiny lehibe indrindra.

Saintsaino ny tsy maintsy nanomboana an'Andriamanitra teo amin'ny hazo fijaliana, sorona ambony dia ambony tokoa, mba hanavotana antsika amin'ny fahotana. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny maharatsy tokoa ny fahotana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal