Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 18 April 2025

Vakio ny Jao. 2:1-11; Mat. 22:1-14; 2 Kôr. 11:1-5 ary ny Mat. 25:1-13.

Rehefa tsapan'ny olona iray ny habetsahan'ny fahalalana ao amin'ireo andalan-teny ao amin'ny Baiboly, izay manampy amin'ny fanitarana ny fahatakarana ny faminaniana, dia mety halaim-panahy izy hampiasa izany amin'ny fomba tafahoatra. Nandritra ny taonjato maro no nanasongadinan'ny Kristianina sasany ny sary an'ohatra sy tandindona ao amin' ireo tantaran'ny Baiboly ka nahatonga azy ireo nihevitra tamin'ny farany fa angano ihany ireo tantara hita ao. Na dia misy hevitra ara-tandindona samihafa aza hita saika manerana ny Soratra Masina, dia tokony hotsaroantsika mandrakariva ny fampiasan'Andriamanitra ireo tantara tena nisy - izay ahitana olona tena niaina izany- mba hampianarana antsika lesona mikasika ny fomba hifandraisany amin'ny fiangonana amin'ny hoavy.

Ilay fampakaram-bady tany Kana, ohatra, dia mety ahitana hevitra maneho sary an'ohatra momba ny fampakaram-bady ampiasain'ny faminaniana, nefa tranga tena niseho io fampakaram-bady io. "Ny tenin'i Kristy no nanomana tahiry betsaka ho amin'ny fanasana. Betsaka toy izarny koa ny fahasoavany nomaniny hikosehana ny fahadisoan'ny olombelona sy hanavaozana ary hanohanana ny fanahy." - IFM, t. 142.

Hitantsika koa izay nosoratan'i Ellen G. White eto: "Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony'. 'An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika (...) kosa ny zavatra ambara' Amô. 3:7; Deo. 29:28. Nomen'Andriamanitra antsika ireo zavatra ireo, ary hanampy izay mandinika ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina amim-panajana sy amim-pivavahana ny fitahiany. - IFM, t. 235.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Vakio ny Jao. 2:1-11. Marobe ny zavatra hita ao amin'ny filazantsaran'i Jaona izay maneho mialoha ny asa hataon'i Kristy amin'ny hoavy, ary tsikaritry ny mpamakafaka ny Baiboly ny fitarihan'i Jaona ireo mpamaky azy handroso hatreo amin'ny Hazo fijaliana. Aiza no ahitanao lafiny samihafa maneho ny toetran'i Kristy sy ny fanjakana izay ho avy ao amin'io tantara io? Inona no ampianarin'izany momba ny drafi-pamonjena, na koa ny lanonan'ny fampakaram-bady izay ampanantenain'Andriamanitra ny Zanany lahy?

2. Fantatry ny maro ary tian'ireo mpianatra ny Baiboly ny fanoharana momba ireo virijina folo. Inona no ampianarin'io tantara manan-danja io antsika momba ireo toe-javatra hiseho amin'ny andro farany? Manan-danja ve ny fitaredretry ny mpampakatra? Inona ny lesona amplanarin'io fanoharana io anao momba ny fifandraisan'ny tsirairay amin'i Kristy sy ny fomba ifandraisan'i Kristy amin'ny fiangonana?

3. Eritrereto ireo fomba fanao tsy izy tafiditra ao amin'ny fivavahana kristianina. Ankoatra ny anankiray izay miharihary, ny Alahady, izay mifanohitra amin'ny Sabata ara-Balboly, inona koa ny finoan-diso tafiditra ao? Ahoana no nidiran'izany, ary inona no azontsika atao ho fiarovan-tena amin'izany sy ho fanampiana ny hafa hahita ny tena toetr'izany? Ahoana no mahatonga ny hafatry ny anjely telo ho fanaovana araka izany indrindra, ho fanampiana ny olona hahita ireo finoan-diso izay tafiditra ao amin'ny fiangonana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal