Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: SARY AN'OHATRA AVY AMIN'NY FANAMBADIANA - Ilay ampakarina tsara tarehy.

Daty
Alatsinainy 14 April 2025

Maneho amintsika sary mahatalanjona momba ny fitiavan'Andriamanitra ny vahoakany ny Ezek. 16. Ampitahain'Andriamanitra amin'ny zaza nariana sy navelan-dreniny ho faty tany an-tsaha ny vahoaka Isiraely. Izy no nitondra izany zaza izany nody sy nanadio azy, ary rehefa lehibe ilay zazavavy dia nalainy ho vady. Sary iray lehibe maneho fanambadiana tsy dia fahita izany.

Vakio ny Ezek. 16:4-14. Manome lesona momba ny fikasan'Andriamanitra ho antsika ireo tsipirian-javatra maneho ny fanandratana ilay ampakarina; inona izany lesona izany?

Nambaran’Andriamanitra tamin'ny Isiraely fa teo ambany fikarakarany no nahatonga azy "nihatsara tarehy " Ezek. 16:13. Tsy nisy nahita hatsaran-tarehy teo amin-dravehivavy tamin'ny fotoana voalohany nahitan'Andriamanitra azy; tsy tahaka ny zaza hafa rehetra izy fa nariana ary nantenaina ho faty. Nihanitombo anefa ny hatsaran-tarehiny rehefa nikarakara azy fatratra Andriamanitra; nanjary anton-dresaki’zao tontolo izao mihitsy aza izy. Nandritra ireo fotoana voalohany nanjakan'ireo mpanjaka hebreo, teo ambany fanapahan'i Davida sy i Sôlômôna, no nahitana indrindra ny fahamarinan'izany. Nanao dia lavitra manokana mihitsy aza ny mpanjakavavin'i Étiôpia mba hahita maso ny famirapiratan'ny Isiraely!

Fanomezana avy amin'Andriamanitra anefa ny hatsaran-tarehin'ny Isiraely. Nambaran’Andriamanitra fa ny hatsaran-tarehiny dia "tanteraka (...) noho ny voninahitro izay nataoko taminao" - Ezek. 16:14.

Lohahevitra miverimberina ao amin'ny Baiboly izao: tsara tarehy ilay ampakarin'Andriamanitra ho vady, tsy noho izay nataon-dravehivavy izany fa noho ny zava-tsoa natobakAndriamanitra taminy sy nanaovany azy ho toy izany. Tahaka izany koa, tsara tarehy eo imason'ny lanitra ny mpino, tsy noho ny zavatra nataony mba hahamendrika azy fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny famonjena natolony antsika. Tsara tarehy isika satria manarona antsika ny "fahamarinan’Andriamanitra." - 2 Kôr. 5:21.

Nizotra tsara ny zava-drehetra mandra-pahatonga eo amin'ny andalan-teny manaraka ao amin'ny bokin'i Ezekiela: "kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin'ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany." - Ezek. 16:15.

Nohariana mba haneho taratra ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny voninahiny isika. Rehefa heverin'ireo zavaboarin'Andriamanitra fa ny tenany ihany no tompon'ny hatsaran-tarehiny, dia mihena ny fanombanana izany hatsaran-tarehy izany, ary miandry azy sahady ny olana samihafa.

Inona avy ireo loza ateraky ny fitokiantsika amin'ny "hatsaran-tarehintsika"? Raha lazaina amin'ny teny hafa, ahoana no mety iheverantsika fa misy zavatra momba antsika izay mahatonga antsika hahazo sitraka eo anatrehan’Andriamanitra sy ho mendrika ny fitiavany? Ahoana no iambenantsika mandrakariva tsy ho tratry ny avonavona ara-panahy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal