TSAROVY
Vakio ny Jos. 4. Nahoana Andriamanitra no nilaza tamin'ny İsiraelita mba hanorina antontam-bato fahatsiarovana?
Ny tanjon'ireo vato ireo dia mba ho "famantarana." Ampifandraisina matetika amin'ny teny hoe "fahagagana" ny teny hebreo hoe 'of, ary azo ampiasaina hanondroana ny zava-mahagaga nataon Andriamanitra izany (jereo ny lesona omaly), toy ireo loza tany Egypta (Eks. 7:3; Deo. 4:34). Azo andikana izany koa ny hoe "tandindona" na "famantarana, izay marika hita maso maneho fahamarinana lalina kokoa na mifandraika amin'ny fidiran Andriamanitra an-tsehatra. Ny avana, ohatra, dia "famantarana" ny fanekena (Gen. 9:12,13); ny ra teo amin'ny tolam-baravarana sy ny tataom-baravaran'ny tranon'ny Isiraelita dia nantsoina koa hoe "famantarana" (Eks. 12:13); ary ny tena manan-danja indrindra, dia ny Sabata "famantarana" ny Famoronana sy ny fanatrehan Andriamanitra izay manamasina (Eks. 31:13, 17; Ezek. 20:12).
Eto dia fahatsiarovana ny famantarana, izay mampahatsiahy ny taranaka mifandimby rehetra ny fahagagana nandritra ny fiampitana ny ony. Ny teny hoe fahatsiarovana (zikkaron) dia avy amin'ny teny hoe zakar, "mahatsiaro," izay manondro zavatra iray mihoatra noho ny fitadidiana fotsiny, Midika ho fahatsiarovana arahin'asa izany (Deo. 5:15; Deo. 8:2). Zavatra fahita ao amin'ny TT ny fametrahana antontam-bato ho fahatsiarovana (Gen. 28:18-22) sy ny fombafomba izay manaitra ny fahalianana ka mampametra-panontaniana (Eks. 12:26,27; Deo. 6:20-25). Tsy mamerimberina ireo fahagagana Andriamanitra fa mametraka fahatsiarovana izay mampahatsiahy ireo asa lehibe nataony sy milaza valinteny manan-danja mahakasika ny hevitr'izany. Araka izany dia natao hitoetra eo "mandrakizay" ny famantarana, midika izany fa natao hotsaroan'ny vahoakany mandrakariva izany fahagagana nataon'i Jehovah izany.
Zava-dehibe ny fanontaniana mety hapetrak'ireo taranaka any aoriana satria miantefa mivantana amin'izay hametrahana azy: "Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo?" Tokony handray sy hahatakatra ny hevitr'ireo vato ireo ho an'ny tenany manokana ny taranaka tsirairay. Tsy voatahiry ho velona ny finoana an'ilay Andriamanitra Mpanao fahagagana raha tsy ny taranaka tsirairay mihitsy no maharay ny hevitra sy ny lanjan'ireo asa lehibe nataon'i Yahweh ho azy ireo.
Ny finoana tahaka izany dia hampisy fahasamihafana lehibe eo amin'ny fiainana amim-pahatokiana ireo fomba amam-panao miorina amin'ny Baiboly sy ny fifikirana amin'ny finoana nentim-paharazana izay nampitain'ny lovantsofina (fivavahana tsy misy aina izay tanan'ny taranaka ankehitriny izany, ka tsy manana ny tombambidiny sy ny heriny tany am-piandohana). Raha fintinina, dia ny finoana miorina amin'ny Baiboly no tokony horaisintsika ho an'ny tenantsika. Tsy misy na iza na iza afaka hino eo amin'ny toerantsika, eny fa na ireo razantsika aza.
Inona avy ireo fahatsiarovana manokana teo amin'ny fiarahanao mandeha tamin' Andriamanitra, izay manampy anao hahatsiaro ny zavatra efa nataony ho anao?