Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 1:19-30; 1 Kôr. 4:14-16; 2 Kôr. 10:3-6; Jao. 17:17-19; Mika 6:8; Asa. 14:22.
Tsianjery: "Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony."–Fil. 1:21.
Fizaràna Sabata Hariva
Manoloana ny fahafatesana dia rentsika matetika hoe: «fiainana daholo izany». Diso izany. Mifanohitra amin’ny fiainana, fahavalon’ny fiainana, ny fahafatesana. Tsy nohariana niaraka tamin’ny fahafatesana ny fiainana, tahaka ny fiara tsy misy pepo na fahasimbana raha vao namboarina. Asongadin’i Paoly tsara fa “mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana, dia ny devoly, ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana” no nahafatesan'i Kristy. – Heb. 2:14,15.
Na vonona ho faty ho an’i Kristy aza i Paoly, dia natoky ny amin’ny hoaviny izy. Ny zava-manan-danja indrindra ho azy dia ny manome voninahitra an’i Kristy, na amin’ny fiainany na amin’ny fahafatesany, ary ny mitory ny filazantsara amin’ny olona betsaka araka izay azo atao. Inoana fa izany no anisan’ny antony ananantsika epistily marobe mitondra ny anarany. Nahakasika olona sy toerana maro izy tamin’ny alalan’ny asa sorany, anisan’izany ireo toerana izay tsy mbola notsidihiny mihitsy.
Fohy ny fiainana, ary tena zava-dehibe ny hilofosantsika mafy indrindra ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra mandritra ireo taona omen’Andriamanitra antsika. Ampahany lehibe amin’izany asa izany ny fandrisihana ho amin’ny “firaisan’ny finoana”. Araka ny ho hitantsika manomboka amin’ity herinandro ity, io lohahevitra io no antony lehibe iray nanoratan’i Paoly ho an’ny Filipianina.