Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : FANAMBARANA AN'I KRISTY HO MESIA- Ireo mpianatr’i Jaona roa lahy

Daty
Talata 22 October 2024

Niaraka tamin'i Jaona mpanao batisa ny mpianany roa lahy rehefa nitsangantsangana tsy lavitra teo i Jesôsy. Dia hoy i Jaona: "Indro ny Zanak'ondrin’Andriamanitra " - Jao. 1:36. Efa nihaino ny hafatr’i Jaona momba an'i Kristy izy roa lahy, Izay hahatanteraka ny faminaniana ao amin'ny TT momba ny Mesia ho avy. Nandao an'i Jaona ireo mpianatra ireo mba hanaraka an'i Jesôsy, fantatr’izy ireo fa lehibe noho i Jaona mpanao batisa i Jesôsy, ary izy no fahatanterahan'ny hafatr'i Jaona

Vakio ny Jao, 1:35-39. Inona no nataon'ireto mpianatra roa lahy ireto rehefa avy nandre ny fanambaran'i Jaona momba an' i Jesôsy?

Naniry hiaraka amin'i Jesôsy izy ireo, koa niaraka Taminy nandritra ny tontolo andro. Iza no mahalala ireo zava-mahatalanjona nianarany sy niainany tamin’izany?

Inoana fa nanan-danja lehibe izany satria avy hatrany dia naniry hizara ny fanandramany tamin'ny hafa izy ireo. I Andrea, iray amin'ireo mpianatra roa lahy, dia nankany amin'i Simona rahalahiny faingana nanao hoe: "Efa nahita ny Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika ny Kristy)."- Jao. 1:42. Rehefa nentin'i Andrea teo amin'i Jesôsy ny rahalahiny dia nasehon'i Jesôsy  avy hatrany fa fantany izy. Hoy i Jesôsy: "Hianao no Simona, zanak'i Jaona; hianao hatao hoe Kefasy." - Jao. 1:42. Mahalala sy mahafantatra tsara an'i Petera i Jesôsy. Hevitra voizin'i Jaona ao amin'ny filazantsarany io fahafantaran'i Jesôsy ny olona iray io. (Jereo ohatra ny Jao. 2:24,25).

"Raha nanana ny toe-tsaina tsy mino nisy teo amin'ny mpisorona sy ny mpanapaka i Jaona sy Andrea, dia tsy ho hita nianatra teo an-tongotr’i Jesôsy izy. Ho tonga hanao fanakianana sy hitsara ny teniny fotsiny izy ireo. (...) Tsy toy izany anefa no nataon'ireo mpianatra voalohany. Efa namaly ny antson'ny Fanahy Masina izy teo amin'ny fitoriana nataon'i Jaona Mpanao batisa. (...) Nisy fanazavana avy tamin'Andriamanitra nitosaka teo amin'ny fampianarana Soratra Masina ao amin'ny Testamenta Taloha." - IFM, t. 98 (ed. 2023).

Ny fanazavana ny hoe iza moa i Jesôsy no ifantohan'ny filazantsaran'i Jaona manontolo, mba ho voambara amin'izao tontolo izao izany vaovao mahafaly izany.

Ahoana no nanovan'i Kristy, na ny finoana an'i Kristy, ny fiainanao? Inona koa ireo fiovana mbola tianao hitranga?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal