FAMPIDIRANA
Hodinihina mandritra ny herinandro: Jos. 5:13-15; Isa. 37:16; Apok. 12:7-9; Deo. 32:17; Eks. 14:13,14; Jos. 6:15-20.
Tsianjery:
"Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan'i Jehôvah ny feon'olona; fa Jehôvah niady ho an'ny Isiraely." Jos. 10:14.
Eo am-pamakiana ny bokin'i Josoa, dia mahita fanafihana ara-miaramila mahery vaika notanterahina noho ny baikon'Andriamanitra, tamin'ny anaran'Andriamanitra, ary niaraka tamin'ny fanampian’Andriamanitra isika. Hita manerana ny bokin'i Josoa ny hoe Andriamanitra no tao ambadiky ny fahazoana ny tany Kanana. Nanambara izany ny mpitantara (Jos. 10:10,11), ny tenin'Andriamanitra mihitsy (Jos. 6:2; Jos. 8:1), ny lahatenin'i Josoa (Jos. 4:23,24; Jos. 8:7), i Rahaba (Jos. 2:10), ireo mpisafo tany (Jos. 2:24), ary ny vahoaka (Jos. 24:18). Andriamanitra mihitsy no milaza fa fanapahan-keviny ny firosoana tamin'ireo ady feno herisetra ireo.
Mampametra-panontaniana tsy azo ialana izany zava-misy izany. Ahoana no ahazoantsika an-tsaina fa fanaon'ny olom-boafidin'Andriamanitra izany tamin'ny andron'ny TT? Ahoana no azo ampifandraisana ny maha-"mpiady" an'Andriamanitra amin'ny toetrany be fitiavana (ohatra: Eks. 34:6; Sal. 86:15; Sal. 103:8; Sal. 108:4), kanefa tsy manalefaka ny fahefana ananan'ny TT, na ny maha-azo antoka azy, na ny maha-zava-misy ara-tantara azy?
Amin'ity herinandro ity sy ny herinandro ho avy, dia handinika ny amin'ilay fanontaniana sarotra momba ny ady ao amin'ny bokin'i Josoa sy any an-kafa isika, izay Andriamanitra no nibaiko azy.
*Famerenana ny lesona ny sabata 25 Oktobra.