Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo

Daty
Alarobia 22 October 2025

JEHÔVAH HIADY HO ANAREO

Araka ny voalaza ao amin'ny Eks. 14:13,14,25, inona no drafitr Andriamanitra sy ny idealiny tany am-boalohany mikasika ny fandraisan'ny Isiraelita anjara tamin'ny ady?

Tao anatin'io fotoan-tsarotra io, rehefa latsaka an-katerena ny vahoaka Isiraely ka tsy afaka nandroso na nihemotra, dia «hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra hianareo, mijanóna, fa ho hitanareo ny famonjen'i Jehôvah , izay hataony ho anareo anio, fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Jehôvah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina. Eks. 14:13,14. Araka ny fitantaran'ny Baiboly, na ny Egyptianina aza dia nahatakatra izany zava-misy izany ka loa-bolana hoe: "Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehôvah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo." - Eks. 14:25.

Nanjary sary miverimberina teo amin'ny tantaran'ny Isiraelita ny fidiran Andriamanitra an-tsehatra amin'ny fomba mahagaga ho azy ireo, izay sady tsy nanan-kery no tsy mahay miady. Ny fomba nanafahan Andriamanitra ny Isiraely tamin'ny fanandevozana tao Egypta no nanjary ohatra. Jehovah ihany no miady eto, fa ny Isiraely kosa nasaina nangina fotsiny (Eks. 14:14). Andriamanitra no Ilay Mpiady mahery; Izy no tompon'ny fanapahan-kevitra. Izy no mamolavola ny paikady, mamaritra ny fomba atao, ary mitarika ny fanafihana. Raha tsy i Jehôvah no miady ho an'ny Isiraely, dia tsy afaka ny hahomby velively izy ireo.

Toy izao no anazavan'i Ellen G. White izany: tsy drafitr’Andriamanitra ny hahazoan'izy ireo ny Tany Nampanantenaina amin'ny alalan'ny ady, fa amin'ny alalan'ny fanekena sy ny fankatoavana tanteraka ny didiny» - ST, 2 Septambra 1880. Tahaka ny nanafahany azy ireo tany Egypta dia Andriamanitra no hiady ho azy ireo. Ny hany anjaran'izy ireo dia ny mijoro tsara sy ny manatri-maso ny fidirany an-tsehatra amin-kery.

Hita porofo eo amin'ny tantara fa tsy nilain'ny Isíraelita ny niady rehefa ampy ny fitokiany tamin'Andriamanitra, (jereo ny 2 Mpanj. 19; 2 Tant. 32; Isa. 37).

Raha ny drafitr'Andriamanitra sy ny idealiny, dia tsy nila niady ho an'ny tenany mihitsy ny Isiraely. Vokatry ny tsy finoan'izy ireo, izay niseho taorian'ny Eksodosy, no nahatonga an'Andriamanitra namela azy ireo handray anjara tamin'ny ady natao tamin'ny Kananita. Tahaka ny tsy nilan'izy ireo namoaka sabatra na iray aza tamin'ny Egyptianina nandritra ny fanafahana azy tamin'ny fanandevozana, dia tsy ho nila niady mihitsy izy ireo mba hahazoana an'ı Kanana (Deo. 7:17-19).

"Raha tsy nimonomonona tamin'i Jehôvah ny Zanak'Isiraely, dia tsy ho navelany hiady taminy ny fahavalony.»-TF. 1. 134. Mety hisy fiantraikany eo amin'ny fiainantsika ankehitriny ny fimonomononana; amin'ny fomba ahoana?"

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal