Vakio ny Eks. 8:20--9:12. Inona no ampianarin'io tantara io antsika momba izao: na lehibe manao ahoana aza ny fanehoana ny herin'Andriamanitra sy ny voninahiny, dia mbola manana fahafahana handà Azy hatrany ny olombelona?
Ilay andriamani-bavy egyptianina Uatchit no andriamanitry ny lalitra ary koa tompon'ny honahona. Naseho tamin'ny alalan'ny sarina lohan-dalitra i Khepri, andriamanitry ny masoandro miposaka sy ny famoronana ary ny fahateraham-baovao. Resin'i Jehovah avokoa ireo "andriamanitra" ireo. Ao amin'ity tantara ity, dia niharan'ny loza ny Egyptianina fa ny Hebreo kosa voaro (Eks. 8:20-24). Tsy mbola nisy loza nanjo ireo Hebreo hatramin'izao.
Averina indray fa nataon'Andriamanitra izany rehetra izany mba hampahafantarana an'i Farao fa "Izaho no Jehôvah afovoan'ny tany." - Eks. 8:18.
Nanomboka niady varotra i Farao; tsy isalasalana fa nihanavesatra ny tsindry nahazo azy. Nekeny ny handehanan'ny Isiraely hiankohoka amin'ny Andriamanitr'izy ireo sy ny hanaovany fanatitra ho Azy, saingy ao amin'ny tanin'i Egypta ihany (Eks. 8:21). Tsy azo notanterahina anefa ny fepetra napetrany noho ny fiheveran'ny Egyptianina ny biby ho masina ka hahatonga herisetra amin'ireo Hebreo ny fanaterana ireny ho fanatitra. Ankoatra izany, tsy izany no drafitr'Andriamanitra ho an'ny Isiraely.
Tao anatin'izany no namelezan'ny loza manaraka ireo biby fiompy (Eks. 9:1-7). Naseho tamin'ny alalan'ny sarina lohan'omby ny andriamani-bavin'ny fitiavana sy ny fiarovana tany Egypta (Hathor). Tian'ny olona tany Egypta fahiny sy nohajainy fatratra koa ny andriamani-dahy miendrika ombilahy (Apis). Araka izany, niampy indray ny andriamanitra resin'i Jehôvah , tamin'ny loza fahadimy, rehefa maty ireo biby fiompin'ny Egyptianina.
Tamin'ny loza fahenina (Eks. 9:8-12), no nampiharihariana ny faharesen'i Isis andriamani-bavin'ny fitsaboana sy ny majika ary ny fahendrena. Hitantsika koa ny faharesen'ireo andriamanitra hafa tahaka an'i Sekhmet (andriamani-bavin'ny ady sy ny valanaretina) sy i Imhotep (andriamanitry ny fitsaboana sy ny fanasitranana), izay tsy naharo ireo mpivavaka taminy akory. Toa maneso aza ny toe-javatra satria na dia ireo ombiasy sy mpanao ody aza dia nampahorin'ny vay ka tsy afa-nijanona tao an-dapa. Mampiseho izany fa miraviravy tanana izy ireo eo anatrehan'ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany.
Sambany teo amin'ny fitantarana momba ny loza folo no misy andalan-teny milaza fa "nanamafy ny fon'i Farao" i Jehôvah (Eks. 9:12). Mety hahavery hevitra io fehezanteny lo, nefa raha takatra ao anatin'ny tontolon-keviny feno izany, dia ho hita fa maneho indray ny famelan'Andriamanitra ny olona hijinja ny vokatry ny fandavany Azy mandrakariva.
Tsy teo amin'ny lafiny fahatakarana no olan'i Farao; efa nomena porofo azo tsapain-tanana Izy mba hanaovany safidy tsara. Ny fony no sakana teto, Inona no tokony hambaran'izany amintsika momba ny tokony hitandremantsika ny fontsika?